Politique

Tiako I Madagasikara Hampiseho ny heriny eny Analakely


  • Zoma 03 Martsa 2017

Mitohy ny fanaovana antsojay hataon’ny fanjakana foibe ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Tranga farany niseho tamin’ity herinandro ity ny baiko midina tsy nahazoan-dalana avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika hikarakara hetsika eny Mahamasina ny 8 martsa izao. Antony nahatonga ny kaominina Antananarivo Renivohitra hanamarika amin’ny fomba miavaka ihany koa ny andron’ny vehivavy 8 martsa 2017 eny amin’ny tany malalaka Analakely ka iantsoana ny firaisankina sy fiaraha-mientan’ny olom-pirenena rehetra amin’ireo boriborintany enina sy ny mponina amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo. Hanomezana endrika manokana ny lanonana manoloana ny Lapan’ny tanàna ny fanentanana ny olona hisalotra satroka mavo. 

Antoko matanjaka

Hiaraka hankalaza amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny andron’ny 8 martsa moa ny antoko Tiako I Madagasikara, araka ny fifampizarana toromarika sy fampitam-baovao teny amin’ny Tiko Bel’Air Ampandrana omaly. Fankalazana hampisehoan’ny TIM ny heriny eto amin’ny tanàna renivohitr’i Madagasikara taratry ny tanjaka hananan’ny antoko manerana ny firenena iray manontolo, hoy ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc izay kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Nanamafy io firotsahan’i Dada Ravalomanana hofidiana ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara afaka herintaona io moa ireo tompon’andraikitra isan-tokony Tiako I Madagasikara sy ireo fikambanana mpiara-dia isan-tsokajiny tonga teny an-toerana.  Ampy traikefa ny TIM, manana olona ary efa voasedra ka tsy ho sarotra aminy ny hanala an’i Madagasikara amin’ny krizy, hoy ny resaka teny Bel’Air omaly.


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT