Politique

Thierry Raveloson Niverina nanao politika


  • Alakamisy 11 Novambra 2010

Rehefa tsy reo feo firy nandritra ny 7 taona dia niverina aeo amin’ny sehatry ny fanaovana politika indray Atoa Thierry Raveloson, PDS n’ny faritan’i Toliara teo aloha no sady zana-drahavain-Dramatoa Céline Ratsiraka ; mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita ny tenany amin’izao fotoana ka ho fiarahabana azy dia nisy ny fitsenana makotrokotroka natao azy ny sabotsy 6 novambra lasa teo tao Toliara, tanàna niaviany sy naha-lehibe azy.

Fiarakodia no nandehanany avy aty Antananarivo nankany Toliara, ka teny  amin’ny faritry ny seranam-piaramanidina no nanomboka nitsena azy ireo vahoaka marobe, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia fiara aman-jatony no nitanjozotra taorian’ny fiara  nitondra an’i Thierry Raveloson. Nanao karazana carnaval namakivaky ny tanàna ny rehetra ary nifarana eny amin’ny bord de la mer izany. Teo no nikabaray, nilazany hafaliany no saynisaotra ireo vahoaka marobe nitsena azy ity zanak’i Toliara ity. Tamin’ny 6 ora hariva kosa dianisy ny fihaonan’I Thierry Raveloson tamin’ireo olobe sy ray amandreny miisa 120 , ka tao amin’ny hotely Le Palétuvier no nanatanterahana an’izany. Fifanakalozan-kevitra no natao tao ary dia afaka nilaza tsara ny hetahetany ieo nisolo tena ny vahoakan’i Toliara sy ireo foko rehetra monina any an-toerana amin’ny fanaovana ny fampihavanam-pirenena tena izy ho fandaminana ny firenena. Nanambara moa Atoa Thierry Raveloson fa hatomotra loatra ny datin’ny 20 desambra hanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna ka tokony hahemotra. Niara-dia taminy foana moa tamin’izanyrehetra izany Atoa Joseph Ezechiel izay mpikambana Ao amin’ny kongresin’ny tetezamita ihany koa no sady zanak’i Toliara.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT