Politique

Thierry Raveloson Niverina eo amin’ny sehatra politika indray


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Tapa-kevitra indray hiverina eo amin’ny sehatra politika i Thierry Raveloson Mahasampo Francis rehefa tsy tazana nandritra ny fito taona. “Nipirina mihitsy aloha”, hoy izy raha nanontaniana.

Misy ny fotoana ahanginana ary misy ny fotoana hitenenana, ka tonga izao ny fotoana hitenenana sy handraisana andraikitra miara-mitady vahaolana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy diaviny izao. Maro rahateo ireo olobe tany Toliara tany miandrandra azy nanosika azy hirotsaka indray amin’ny sehatra politika. Vontovorona no nosafidiany hisehoana indray. Anisan’ireo mpitarika antoko tonga nikaondoha teny, nanoina ny fampihaonana ireo mpanao politika nokarakarain’ny Fandrindrana nasionalin’ny firaisamonina sivily na CNOSC i Thierry Raveloson. Ity farany dia anisan’ireo enin-dahy notendren’ny fitondrana Ravalomanana ho filohan’ny delegasiona manokana (PDS) hitantana faritany mizakatena, ny martsa 2002, dia i Sikonina Victor (Toamasina), Pierre Tsiranana (Mahajanga), Thierry Raveloson (Toliara), jeneraly Razakarimanana Ferdinand (Antananarivo), Pety Rakotoniaina (Fianarantsoa) ary i Jaosoa Pascal (Antsiranana). Rehefa nosoloina an’i Mory Maur Martin izy dia nanangana ny antokony, MDSM (Mouvement pour la Démocratie Sociale à Madagascar). Tsy mbola manana filoha ity antoko ity, fa i Thierry Raveloson no Sekretera voalohan’ny antoko. Milaza ny mbola “hieritreritra” izy raha misy manolotra azy na hotendrena ho minisitra. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT