Na dia mbola baraingo amin’ny maro aza ny fifidianana hotontosaina amin’ity taona ity noho ny fivadibadihan-delan-dRajoelina sy ireo mpanao politika mpanara-drenirano azy dia efa miomana amin’ny fifidianana ny antoko politika sasany.
Hetsika ara-tsosialy no paikady entiny amaboana ny fon’ny mpifidy, indrindra ireo eny Ambany tanàna izay tena sahirana, indrindra ao anatin’izao krizy izao. In-droa misesy no nanatanteraka izay ny TGV Analamanga tao anatin’iny herinandro nivalona iny. Voalohany ilay notontosaina teny amin’ny Kianjan’ny Père Pedro Andralanitra ka nitambazana sakafo ahitana vary sy menaka ho ana fianakaviana an-jatony. Nisy koa ny lalao ara-panatanjahantena nandraisan’ny distrika 7 eto Analamanga anjara tamin’io fotoana io mba hanaronana ilay fihetsika izay efa lasa fahazaran-dratsin’ny mpanao politika matahotra vahoaka ka manome kely ho tambiny vato andrasana aminy. Ny sabotsy teo indray dia nanatanteraka hasoavana faobe teny amin’ny Kaominina Andranonahoatra ity antokon’i Andry Rajoelina ity.
Zazalahy kely 70 no vita fora tamin’io andro io ka mpitsabo mpikambana ao amin’ny antoko ihany no nanatanteraka azy tamin’ny fomba amerikanina. Milaza moa ny tomponandraikitra fa hotetezina avokoa ireo distrika 7 ka ankizy lahy 8.000 no ezahana ampitaina mandrapahatapitry ny ririnina. Fa miezaka ny maka ny fon’ny vahoakan’ny ambany tanàna koa ny TAMAMI. Nanangana ny sampana vehivavy antsoina hoe Viavy TAMAMI ao amin’ny Fokontany Antetezana Afovoany. Nanolotra fitaovana fandiovan-dalana sy lakandrano ho an’ny Fokontany ny mpikambana izay nampiasaina avy hatrany. Nanadio ny moron’ny lakandrano manoloana ny CENAM sy ny Tsena Mora izy ireo ary mbola hiara-misalahy amin’ny Fokontany sy ny Kaominina amin’ny fanalana ireo fako manentsina ny lakandrano eny an-toerana amin’ny faran’ny herinandro izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.