Politique

Tgv Antsirabe Mitalaho mba hanalŕna ny lehiben’ny faritra


  • Talata 09 Novambra 2010

Taorian'ny fihaonana tao amin'ny Imperial Hotel dia namory ireo mpikambana TGV teny amin'ny Hotely Diamant indray Rtoa Lanto Rakotomavo sy ny ekipany ka tamin'ny maha Sekretera Nasionalin'ny TGV indray no nihaonany tamin'ireo mpikambana vitsivitsy izay nilaza fa solotenan'ireo ho kandida hilatsaka ho ben'ny tanŕna.

Raha ny isa dia tsy dia nahasolotena loatra ireo kaominina 86 manerana ny faritra ireto olona ireto satria nanodidina ny 50 teo ho izy ireo no tao,ary dia nisongadina tao ny fisian'ny disadisa anatiny sahady ao amin'ity Antokon'Ingahy Andry Rajoelina ity. Hita taratra fa hiantehatra be dia be amin'ireo tompon'andraikim-panjakana izy ireo amin'izay fifidianana ho avy eo satria ny Talen'ny DREN dia efa nanome toky teo imason'ny mpivory fa aleo aloha ho avy ny fifdianana dia eo isika miara-mahita azy. Nisongadina ihany koa ny fangatahana fanohanana avy amin'ny filohan'ny tetezamita nataon'ireto olona ireto amin'ny filatsahan-kofidian’izy ireo ho ben’ny tanàna.Nisy tamin'izy ireo koa no namaky bantsilana fa tokony ho soloina ny lehiben'ny faritra satria tsy TGV ka tsy ahafahan'ity Antoko ity miorom-paka ao Vakinankaratra mihitsy satria difotra tanteraka amin'ilay fikambanana naorin'ny lehiben'ny faritra izy ireo. Ity farany moa dia tsy tazana mihitsy na tamin'ny fihaonana natao tao amin'ny Imperial Hotel na ny tao amin'ny Diamant. Asa raha midika inona izany.

Ankoatra izay dia mbola nangataka toerana iray amin'ireo 6 mbola tsy voatendry ao amin'ny CT ireto TGV ireto mba ho fanampin'ny an'i Vakinankaratra.Nitondra valin-kafatra moa tamin'ireo mpivory Rtoa Lanto R fa tsy maintsy hisolo ny lehiben'ny faritra ary tsy nampanatena ny amin'ny mety hisian'ny toerana hafa ho an'ny Vakinankaratra izy fa efa fantatra hoy izy fa omen'ny Atoa Andry Rajoelina ireo minisitra ho esorina aorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka ireo toerana sisa ao amin'ny CT ho fankasitrahana azy ireo izay fantatra fa tsy maintsy hisy ho esorina.Asa aloha fa raha ny zavamisy dia karazana soavaly be tongotra avokoa no tazana amin'ity antoko TGV ity raha ny ao Vakinankaratra no jerena ka asa raha hahatafiditra olona ihany amin'izay fifidianana ho avy eo izy ireo.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT