Politique

Tetsy Anosy omaly Nampifanatrehana ny Jly Zafera sy ny Kol Raymond


  • Talata 22 Jona 2010

Nampifanatrehana omaly ny Jeneraly Zafera Viennot sy ny Kolonely Raymond Andrianjafy. Mahakasika ny raharaha FIGN no anton’ny fanadihadiana nataon’ny mpitsara zokiolona, araka ny fantatra.

Naharitra adim-pamantaranandro efatra ity «confrontation» teo anivon’ny lehiben’ny FIGN sy ny lefiny teo aloha ity. Tsy nisy nipika loatra ny fandehan-javatra tao anatiny tao. Raha ny siliantsofina re kosa ary heverina ho mitombina, dia hoe efa manomboka vita ny fanadihadiana ireo mpitandro ny filaminana momba ity raharaha ity. Ny Me Olàlà no mandray ny fiarovana ny Kolonely Raymond Andrianjafy izay hatreto aloha dia voarohirohy tamin’ny “vonoan’olona, ny fitarihana mpitandro ny filaminana mba hikomy nefa tsy nahazo alalana avy amin’ny lehibeny, ary farany, fanohintohinana filaminana anatiny”. Raha tsiahivina dia niray loha ihany ireto manamboninahitra roa ireto tany am-boalohany. Samy nitaky ny mba hanadihadiana ilay vola mitentina 2,5 miliara izay nafafin’ny Filoha teo aloha teo anivon’ny zandary izy roalahy. Mafy be ary natahorana ny FIGN tamin’izany fotoana satria tena niray hina tanteraka.

Saingy niala tsikelikely tao anatin’ny hetsika ny Jly Zafera rehefa nandeha teny ny fotoana. Ny Kly Raymond izany sisa no niatrika izay zava-nitranga rehetra. Teo koa dia mbola nizara ny olon’ireo manamboninahitra roa ireo. Teo no nanomboka nahazo vahana amin’izay ny tafika izay tapa-kevitry ny nanafika tamin’ny 20 mey lasa teo. Nandeha ny fisamborana ary efa saika any am-ponja avokoa miandry ny fitsarana azy ireo zandary tompon’andraikitra. Amin’izao fotoana dia efa mandeha indray ny feo fa tadiavina alefa any Ambositra (hafindra asa any) ny Kly Raymond mba hanalefahana izay mety ho fiantraikan’ny famonjana azy eto an-drenivohitra. Raha ny loharanom-baovao mitovy ihany anefa no henoina dia nandà izany izy. Raha tsy hoe angaha havoaka miaraka aminy avokoa ireo zandary namany marobe. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT