Nijery ifotony ireo toerana nambarany fa hananganana ireo «Cité Fitiavana» sy ny hopitaly ary ny fanarenana ny biraon’ny kaominin’i Toamasina i Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy ny sabotsy 13 novambra teo.
Niditra tao an-tokotanin’ny Magro Morafeno mihitsy i Andry Rajoelina nijery ny tanin’i Marc Ravalomanana novidiany tamin’ny Ex-COROI tamin’ny fitondran’i Didier Ratsiraka. Nambaran’ny filohan’ny FAT moa fa tanim-bahoaka ity tokotanin’ny Magro ity, ka eo no hatsangana ilay sary be mikasika ilay hopitaly manara-penitra voalazany. Raharaha hafa indray ity satria azo antoka fa tsy hitazam-potsiny ny tompony any Afrika Atsimo any. «Fihantsiana izao fakana tanin’olona manokana an-keriny izao», hoy ny nambaran’ireo nahita ny raharaha tao Morafeno io andro io. Marihina fa taorian’ny fandorana sy fangalarana ny entana tao anatin’ity Magro Morafeno ity sy ny famotehana azy tanteraka nangalarana ny vy sy ny vato ary ny tara teo aminy, izay toa notazanim-potsiny nefa dia eo am-pitan’ny biraon’ny zandary, dia izao hatao hopitaly izao indray izy io.
Araka ny resaka mandeha koa dia misy tany midadasika manana velarana 38ha tsy misy olona sy azo ampiasaina ao Toamasina. Io tany io no heverina hanorenana ilay voalaza ho «Cité Fitiavana» ho an’ny tanora, izay trano azo aloa tsikelikely isam-bolana mandritra ny dimy taona sy tapany ny vidiny. Rehefa nojerena ifotony anefa ilay tany tao Tsararivotra Tsarakofafa nambara fa misy azy, dia tsy nisy afa tsy 4ha sisa no azo ampiasaina fa efa misy olona manorim-ponenana avokoa ny ambiny. Niverim-potsiny ny dia teo fa diso ny tatitra an-tsoratra voaray tany ambony tany.
Rehefa izay dia nojerena indray ny tany miaramila tao Ambohijafy Avaratra, izay efa lasa kianja «Lemalade» noho ny fanolorana nataon’ny tafika azy ho an’ny tanora, ho fanampiana ireo mpilalao kitra ao Toamasina. «Ity no tiako fa jereo ny momba io tany io eny amin’ny ‘domaine’», hoy i Andry Rajoelina. Sady efa misy olona mipetraka sy manorim-ponenana anefa ny manodidina no kianja filalaovana sy fanaovan’ny mpilalao baolina kitra fanazarantena koa ilay izy. Manana velarana 7ha eo ity tany miaramila efa lasa tany “privé” ao Ambohijafy ity, ary i Lemalade Eric, izay voatendry ho mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita ankehitriny, no nandany vola nanamboatra izany ho tombontsoan’ny tanora, taorian’ny nanomezan’ny miaramila ny tany 10 taona lasa izay. Raha izao zava-misy ny faran’ny herinandro teo izao no jerena dia ho avy ao Toamasiana indray ny filaharana sy fanoherana etsy sy eroa, satria na ny ady tany misy ao aza efa tsy voavaha ny ankamaroany, mbola ampiana ity raharaha tany hafa ity indray, izay efa tsy mahafaly olona maro sahady.
RTT sy Rakoutou
Légende: Andry Rajoelina tao amin’ny Magro Morafeno Toamasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.