Vita iny ny fitsapan-kevi-bahoaka. Inona indray ny manaraka ? Ny fankatoavana iraisam-pirenena no andrandrain’ny mpitondra ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Sanatria anie izany hoy kosa ny Ankolafy Telo.
Ny fahanginan’ireto farany dia hanamora ny fahazoan’ny fitondrana ankehitriny ny fankatoavana iraisam-pirenena. Fitaovana hampiasany amin’izany ny vokatra azony nandritra iny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010 iny. Raha ny resaka mandeha any andalatsaran’ireo andrim-panjakana mijoro ankehitriny any koa anefa dia miketrika mafy ny Frantsay. Izy ireto koa no mety hankato voalohany izao fitondrana izao. Misy anefa ny fepetra, fa tsy ho tongatonga ho azy izany. Resaka andalatsara moa izy ity nefa toa azo anombatombanana ny zavatra mety hiseho ny trangan-javatra tato ho ato, toy ny nahitana fiarakodia nisy mpiasa frantsay, nampitondrana nomerao sivily, teny manodidina ny BANI Ivato tao anatin’ireny fotoana nafana ireny. Ny sori-dalana mety hiseho àry dia vonona hanampy an’i Andry Rajoelina ny Frantsay, fa mila manamafy ny fanambarana efa nataony fa tsy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy, satria tsy mbola ahazoana antoka izany ny fihetsiny sy ny fanambarany tao anatin’ireny fitetezam-paritra nataony faramparany teo ireny. Etsy ankilany kosa anefa dia tsy miverina eto ny filoha Marc Ravalomanana.
Ankoatra izay dia avoaka ireo gadra politika rehetra, izay hita fa ho taolana ary ho sarotra ny hampanaiky mora amin’i Andry Rajoelina an’izany. Raha vita anefa izay, dia i Lafrantsa no firenena voalohany hanambara ny fankatoavany ny fitondrana tarihiny. Rehefa izay dia horaisin’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy izy ary ity farany indray avy eo no handray an-tanana ny fandresen-dahatra ny firenena Eoropeanina hankato ny fitondrana eto Madagasikara, izay tarihin’i Andry Rajoelina ary hamerina indray ny famatsiam-bola ary ho avy miandalana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Eto anatiny dia mitohy ny fandresen-dahatra ny politika hananganana governemanta misokatra sy iraisana ary mety ho tonga hatrany amin’ny fikitihana indray ny lalàmpanorenana vao nampandalovina fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra teo iny, saingy tsy hisy intsony fifidianana handraisan’ny vahoaka mivantana fa eny anivon’ny Parlemanta no handaniana ny fanamboarana ho fanatsarana azy. Rehefa milamina izay dia fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika avy hatrany no hatao, hamaranana tanteraka ny krizy.
Resaka mandeha io, mety hanaporofo ny fisian’izany ny nanafoanana tampotampoka teo ny fifidianana Ben’ny tanàna tokony hatao ny alatsinainy 20 desambra 2010 na dia efa nanambara aza i Andry Rajoelina fa roso ity ka tsa mipody koa ny 17 novambra teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.