Nampirehareha ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ny tsy nananan’i Madagasikara trosa ivelany.
Tsy afaka nifampiraharaha ara-bola tamin’ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra rahateo ny fitondrana mpanongam-panjakana notarihany nanomboka tamin’ny taona 2009. Nanohy hatrany ny fandoavana ireo trosany hatrany moa ny firenena tao anatin’io vanim-potoana fitantanana tsy ara-dalàna io, noho ny fananan’ny Banky Foibe tahiry vola vahiny nolovaina tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Mitentina 3,641 miliara dolara ny trosan’i Madagasikara, araka ny antontan-kevitry ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ny volana jolay 2015. Nahatratra ilay antsoina hoe «point d’achèvement» anefa ny firenena Malagasy ny 21 oktobra 2004. Antony nahatonga ireo firenena matanjaka 8 na ny G8 nanafoana ny trosa ivelan’ny firenena Malagasy mitentina 2,213 miliara dolara ny volana jolay 2005. Nitentina 164,8 miliara Ariary ny trosa anatiny ny taona 2009 na trosa 14 tapitrisa Ariary isambatan’olona raha nanodidina ny 18 tapitrisa ny isan’ny mponina tamin’izany. Nahatratra 7.200 miliara Ariary mahery kosa ny trosa anatin’i Madagasikara ny faran’ny taona 2013, izany hoe taorian’ny fiafaran’ny tetezamitatra nandritra ny 4 taona sy 10 volana ary 8 andro, araka ny gazety filazam-baovao isam-bolana «Tahiry» nivoaka farany ny volana aogositra 2014.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.