Politique

Tetezamita iaraha-mitantana Mitavozavoza ny FAT


  • Zoma 01 Oktobra 2010


Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny fitavozavozan’ny FAT momba ny fametrahana ireo rafitra rehetra tapaka nandritra ny fikaonandoham-pirenena ny elatry ny HPM izay nisintaka ny ankolafy Zafy Albert. Raha ny hevitr’i Ndremanjary Jean André dia amin’ity herinandro ity no tokony hatsangana avokoa ny governemanta, ny Kaongresy, ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ny Filankevi-pirenena misahana ny fampihavanana. «Mitarazoka loatra ny asa ka mampanontany tena ny sokajin’olona samihafa, indrindra momba ny fahamarinan-toeran’ny fifidianana izay hatao», hoy kosa Ralison Roger, filohan’ny antoko PRM. Raha ny tetiandro nofaritan’ny FAT, dia ora sisa andrasana dia misokatra ny fampielezan-kevitra momba ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola misy fampahafantarana ny valalabemandry izay volavolan-dalàmpanorenana haroso hitsapana ny hevi-bahoaka ny 17 novambra. «Araka izany dia tsy afaka milaza izahay na hampandany azy io na hanohana ny tsia. Amin’ny fomba ahoana moa no ahafahana mandray fanapahan-kevitra kanefa ny votoatiny aza tsy fantatra akory», hoy i Robert Razaka nametra-panontaniana. Nambaran’ireto mpitarika ny HPM nisintaka ireto koa fa natsangan’izy ireo ho ara-dalàna tany amin’ny Ministeran’ny Atitany ity fikambanany ity ka tsy misy antoko na fikambanana hafa afaka mampiasa ny anaran’ny HPM intsony. Antoko sy fikambanana 30 eo ho eo no mandrafitra ny HPM tarihin’izy ireo raha ny fanazavana ihany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT