Vahoaka marobe no nanohana ny antson’ny Ankolafy telo tao amin’ny kianja Mitabe Antsiranana ny tolakandron’ny Sabotsy 19 jona 2010 teo.
Fihaonana nanazavana ny mikasika ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ary ny maha zava-dehibe ny “fampihavanana” ao anatin’izao krizy politika maharitra eto amin’ny firenena izao. Manamafy hatrany ny fijoroany amin’ny tokony hametrahana ny Tetezamita iaraha-mitantana ny Ankolafy Telo. Delegasionina mafonja miisa telopolo mianadahy avy amin’ny «ankolafy Ratsiraka, Zafy Albert. Ravalomanana» mivondrona ao anatin’ny Ankolafy Madagasikara notarihin’ny Profesora Zafy Albert sy Fetison Rakoto Andrianirina no tany tamin’io fotoana io. Noraisin’ny mponina tamim-pihobiana ny fahatongavan-dry zareo. «Efa ela izahay no te haheno vaovao mikasika ny tohin’ny tolona ataon’ny Ankolafy telo satria tsy mahalala ny vaovao tena marina intsony noho ny tsy fahenoana afa tsy feon-dakolosy tokana amin’ny haino aman-jerim-panjakana », hoy ry zareo tompon-tany rehefa nanontaniana ny heviny.
“Miainga amin’ny fampihavanana ny zava-drehetra», hoy i Fetison Rakoto Andrianirina nandritra ny kabariny. Izay indrindra no mahatonga ny Ankolafy Marc Ravalomanana namitram-pihavanana amin’ny olon-drehetra sy amin’ny ankolafy politika misy. Na eo aza izany ezaka ataony izany dia mbola misy ny mitana lonilony sy mbola manana “fo te hamaly faty”, hoy ihany izy ka mahatonga izao fikatsoan’ny fitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena izao.
Mavandy
Anisan’ny voambolana miverimberina amin’ny fandraisam-pitenenan’ny solontenan’ny vahoaka ny tsy fitokisan-dry zareo intsony amin’ny resaka afafin’ny fitondrana FAT. «Izahay vahoaka indray no vonoina raha maneho hevitra kanefa ny zo mikasika ny vatsim-pianarana tsy ho tapaka no takianay», hoy ny solontenan’ny mpianatra avy amin’ny ambaratonga ambony ao Antsiranana. Resabe ihany koa no fahitan’ny vahoaka ny fidiran’ilay vola nividianana ny vy ao Soalala ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Tsy ny hifaninana amin’izay fifidianana ho avy eo ihany koa no olana, hoy ny avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert fa ny fanomanana azy sy ny fiantohana ny fangaraharana ao anatin’izany. Hany lalan-tokana, hoy izy ny fiaraha-mitantana ao ny rafitra Tetezamita. Nohazavain’ny Profesora Zafy Albert nandritra ny lahateniny ny lalana rehetra nahatongavana tamin’ny fanasoniavana ny satan’i Maputo sy Addis Abbeba izay tokony hisolo ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo eto Madagasikara mandra-pitsangan’ny Repoblika vaovao. Miisa 69 eo ho eo ny isan’ny sonia nametraka io sata mifehy ny tetezamita io ka maro an’isa amin’izany ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ireo kanefa amin’izao fotoana izao, hoy izy, izyireo indray no voalohany manaratsy azy io. Antony maro ankoatra izay no noresahan’izy ireo ka nofaranany tamin’ny hoe : hanapa-kevitra ny Ankolafy Madagasikara rehefa tsy hanao ny Ankolafy Rajoelina fa tsy hijery ny Vahoaka ho faty noho ny ataon’ny sasany eto.
Efa maizina moa ny andro vao nisaraka ny rehetra. Tohin’ny dia ataon’ireto delegasionina ireto amin’ny faritra DIANA izao fihaonana tamin’ny vahoakan’Antsiranana izao.
Ireo delegasionina : Albert Zafy, Manoro Régis, Fetison Rakoto Andrianirina, Hery Raharisaina, Lalatina Ravololomanana, Victor Wong, Miandrisoa Jean Marcel miaraka amin’ireo Loholona sy depiote teo aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.