Politique

Teraka ny “Mahajanga Miray” Mipoaka ny sarom-bilany


  • Zoma 24 Septambra 2010

Feno ny kapoaka. Mihetsika ny any amin’ny Faritra, tsy mahatanty intsony ny krizy lavareny ateraky ny fizirizirian’ny mahazo fahefana tsy hifampiraharaha amin’ny hafa ity. Raha ny ao an-drenivohitr’i Boeny dia mitsangana izao ny fikambanana “Mahajanga Miray”.

Nifamory izy ireo omaly ary nanao fanambarana iombonana, milaza fa tsy afaka hitazam-potsiny ny fahapotehan’ny firenena ankehitriny, izay anjakan’ny tsy filaminana sy korontana ity. Nahitsy ny tenin’ny “Mahajanga Miray” milaza fa tsy hisy fanovana izany eto fa feno fanenjehana sy fanilikilihana ny samy Malagasy, tsy misy fifamelan-keloka, tsy misy fihavanana, tsy misy fiaraha-mientana. Naneho ny hagagany amin’ny fomba fiasan’ny Raiamandreny Mijoro koa ny fikambanana, ka nilazany fa Raiamandreny tokony hampihavana kanefa lasa fahavalon’ny maro. Mametra-panontaniana ny “Mahajanga Miray” raha ho tafavoaka amin’izao krizy izao isika satria tsy misy fitoniana ary rava ny fihavanana Malagasy. Manoloana izany dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nametraka drafitra matipaika tamin’ny alalan’ny CNOSC mba hanatontosa fampihavanana tsy mitanila ka hiverenan’ny ankolafin-kery rehetra hifampidinika an-databatra boribory hitady vahaolana iraisana hirosoana amin’ny fifidianana malalaka sy hahazoan’ny firenena Malagasy fankatoavana iraisam-pirenena. Lavin’ny “Mahajanga Miray” marindrano ny kaonferansa nasionaly nataon’ny Raiamandreny Mijoro farany satria tsy misy famelan-keloka, tsy mampihavana fa vao mainka mampisaraka. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT