Politique

Tehindrazanarivelo Alain Jacoba “Aoka izay raha fifidianana hiteraka korontana indray”


  • Zoma 11 Janoary 2013

Vahiny anio ny CST Tehindrazanarivelo Alain Jacoba izay efa praiminisitra lefitra nisahana ny fahasalamana tao amin’ny FAT. Filohan’ny antoko ENINA sy mpikambana amin’ny «Nouvelle Alliance pour le Changement Démocratique».

 Tia Tanindrazana (TT) : Tsy re loatra intsony ianao eo amin’ny sehatra politika tao ho ao. Leo angaha ? 

Tehindrazanarivelo Alain Jacoba (TAJ) : Leo angamba amin’ilay fomba fanaovana politika politisiana fa vao mainka manao politikam-pampandrosoana. Ankoatra izay dia tena miverina amin’ny tena asako aho satria mpampianatra ireo mpiofana dokotera ny tenako sady mpitsabo ao amin’ny sampana “neurologie” ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Eo amin’ny sehatra politika dia mbola ao anivon’ny CST ny tenako ary voalaza aza fa mitsikera loatra indray, hono, izahay Parlemantera. Mpikambana ao amin’ny vaomiera mpanadihady eo anivon’ny CST (vaomiera manokana) koa izaho. Raha ny marina dia mbola ao anatin’ny politika aho fa tsy lohalaharana loatra intsony ilay izy. Mifandraika amin’ny filàn’ny olona kokoa ny asako amin’ny maha mpampianatra sy dokotera ahy toy izay ny adihevitra mbola lavitra ezaka satria vao mainka mifandrirotra ny tontolo politika araka ireny teny Iavoloha ireny. Tsy mety amiko ny korontana tahaka ireny ka aleoko makany ambanivohitra any izay tena mila ny fampandrosoana

TT : Tsy tahaka ny mitsoaka andaharana ve ianao amin’izany ?
TAJ
: Tsy mitsoaka andaharana aho. Misy dingana maro anie ny tantaran’ny tetezamita dia ny fiaraha-miasa ny voalohany, ny fiarahana miady hevitra ny faharoa ary anisan’ny mpanetsika tao amin’ny Escopol ny tenako. Ny fanatantanterahana ny tondrozotra ny fahatelo izay andraisako anjara ihany koa satria mitarika vaomiera ao amin’ny CST aho ary ny farany dia ny fiatrehana ny fifdianana. Samy maka ho azy izany miatrika fifidianana izany satria samy te ho lany avokoa ny mpanao politika. Tsy ny fitenenana amin’ny televiziona sy radio no zava-dehibe izao fa ny fanatonanao ny vahoaka. Isam-bolana farafahakeliny aho no makany Sofia satria any no heveriko hiatrehako fifidianana.

TT : Hirotsaka kandida depiote na loholona any ianao izany ?
TAJ
: Tsy mbola fantatra aloha izany fifidianana izany. Raha tahaka ireny esoeson-teny sy fifandranitana nataon’ny mpitondra ireny no fomba ifampitenenana dia hitsefotra io fa tsy hisy fifidianana izany, marina mafy ! Na maneho hevitra aza dia aleo ampahatoniana ihany. Rehefa hanao koa ianao dia manaova ary rehefa tsy hanao dia aza manao. Momba ny antoko “Enina” izay tarihako dia efa nampanara-dalàna ny antoko izahay raha vao lany ny lalàna mifehy ny antoko politika nefa raha milaza ny Ministera fa misy fepetra tsy fenonay dia vonona izahay hameno izany.

TT : Kely finoana hisian’ny fifidianana ianao izany ?
TAJ :
Manahy aho. Misy ny fepetra teknika sy politika tsy maintsy feno vao afaka manao fifidianana. Ny filohan’ny CST izao dia vao nilaza fa mbola misy lalàna tsy maintsy laniana. Ny filohan’ny CT koa nilaza ny tokony hametrahana ny fitoniana toy ny fanokafana ireo televizion sy radio nakatona sy ny famotsorana gadra politika. Mety hisy anie ilay fifidianana fa tsy ho eken’ny rehetra e. Aoka izay raha fifidianana hiteraka korontana indray !

 

TT : Ary nipatitaka ve ny «Nouvelle Alliance pour le Changement Démocratique» nisy anao fa tsy hita intsony koa ?
TAJ : Tsy nipatitaka velively fa misy dingana arahanay. Rehefa hoe manomana fifidianana dia tsy maintsy misy ny asa atao amin’izany fa tsy vitan’ny resaka atao amin’ny haino amanjery fotsiny. Mandray anjara feno amin’ny dinika iarahana amin’ny FFKM ny mpikambana rehetra.

TT : Fa miady amin’i Andry Rajoelina sy ny mpanatanteraka angaha ianareo CST fa toa tsy teny amin’ny lanonana fifampiarahabana ny ankamaroany ary anisany ianao ?
TAJ
: Angamba tsy izay kosa e ! Samy manana ny antony tsy nahatany azy. Misy ireo tsy afaka, ao ny sasany tsy faly satria tsy nahazo nitondra vady. Nisy koa ireo nanao fivoriana toy ny vaomiera mpanao fanadihadiana eo anivon’ny parlemanta izay miomana hanainga amin’izay. Tsy misy izany ady izany satria samy ao anaty fitondrana anie izahay e ! Nolazaina koa fa tsy misy fanambarana politika nefa toa nisy ihany ilay izy.

TT : Raha tsy hiraharaha ny hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Andry Rajoelina ka hirotsaka ihany dia hilamina ve ny firenena ary hahazo fankatoavana ve raha ny hevitrao ?
TAJ
: Efa ela aho no niteny fa izy mirahalahy no mampikatso ity raharaha ity. Na hilatsaka izy na tsy hilatsaka dia tsy mety tonga mihitsy ilay fitoniana. Ny filazan’ny filoha Ravalomanana ny tsy firotsahany dia raisin’ny ekipan’i Andry Rajoelina ho fandranitana indray. Na hilatsaka koa Rajoelina na tsia dia efa misy foana ilay fifandranitana. Gaga mihitsy aho hoe: Isika Malagasy ve te hihavana sy te hilamina satria izay zavatra entina tao anatin’ny efa-taona dia miteraka korontana foana. Manantena aho fa hodinihana akaiky amin’ny fihaonana iarahana amin’ny FFKM ny fepetra hisian’ny fifidianana amin’ny fo tony.

TT : Misy ireo milaza fa tsy ny FFKM samirery no tokony hanao ilay fampihaonana fa miray latabatra aminy koa ireo milaza hampihavana rehetra ?
TAJ
: Rehefa hanao ny FFKM dia aleo atao amin’izay. Enga anie hisy Fanahy Masina hirotsaka amin’ireo mpandray anjara aho fa tsy hanao kajikajy politika indray sanatria.

TT : Re mantsy fa toa hampiantso koa ny Raiamandreny Mijoro sy Finona amin’ny herinandro ambony ?
TAJ
: Tsy mitovy lanja kosa ilay izy e ! Ny mampiavaka ny Fiangonana amin’izay rehetra mijoro ho raiamandreny amiko dia ao aminy avokoa ny ankolafin’olona rehetra na dia ireo mpifanandrina ara-politika aza. Tsy ilay filoham-piangonana no jerena na dia mety hanana firehena aza izy fa ny sehatra iasan’ny fiangonana. Tsy afaka hanova ny toriteniny ilay mpitondra fiangonana satria efa voafaritry ny Perikopa izay. Izay ny tsy hanekeko mampitovy ny fiangonana amin’ny raimandreny hafa. Miantso ny mpitondra fiangonana koa hahatsiaro fa samy zanany avokoa.

TT : Ny teninao farany ary ?
TAJ
: Enga anie ka ho taonan’ny fitoniana ity 2013 ity fa tsy misy zavatra vita amin’ny fifankahalana sy fanaovana tsatsangaiko ataonay mpanao politika. Ny fitoniana no ahafahantsika mampijanona ny krizy efa lava loatra.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT