Nisokatra omaly ary hitohy anio ny fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, ka itateran’ny fahefana mpanatanteraka ny asa vitany. Nisantatra izany ny praiminisitra sady minisitry atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier, ka niompana tamina lafin-javatra 3 dia ny resaka fanjakana tsara tantana, toekarena ary ny sosialy no nanaovany tatitra.
Tsy mifanaraka akory amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka ny zavatra ambara fa vitan’ny fitondrana fa dia resa-be sy fampanantenana ary mbola fialana bala amin’ny zavatra efa hita izao fa tsy mety ny androatokon’ny tatitra, ary tsy tratra ny tanjona hampiakarana 4,5% ny harinkarena, 6,7 % ny fiakaran’ny vidim-piainana, 10,9% ny tahan’ny fampidiran-ketra. Tsy tahotra tsy henatra ny an'ny praiminisitra fa ny ady atao amin’ny kolikoly no vaindohan-draharahan’ny governemanta tamin’ny taona 2016, ka isan’ny notanisainy ny fandaniana ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly, ny fandaniana ny lalàna momba ny fanaganana rafitra miady amin’ny kolikoly toy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy... Zavatra tsy dia mankaiza anefa izany mitaha ny tena ady amin’ny kolikoly, izay ny ao an-dapa no tena malaza kanefa ramatoa Claudine Razaimamonjy aza mandrak’ankehitriny dia iaraha-mahita ny fampanginan’ny fanjakana ny raharaha ary ny governemanta mihitsy aza no efa nanangana ady tamin’ny Sendikan’ny mpitsara (SMM) noho io raharaha io. Ny praiminisitra mihitsy aza no notorian’ny hetsika politika ny Dinika ho amin’ny Fanavotam-pirenena (DFP) ho loharanon’ny kolikoly ao amin’ny minisiteran’ny atitany, ka tokony hosamborina sy gadraina. Ny resaka fahasalamana, fampianarana, vatsin’ankohonana, famoronan’asa tamin’ny alalan’ny fotodrafitrasa no nandaniana ny volam-panjakana. Momba ny raharaha Antsakabary dia nilaza izy fa tsy hadinon’ny fanjakana izany. Efa nisy baiko hentitra nomena ny minisitra tompon’andraikitra, hoy ny Praiminisitra, izay toa maneso ny vahoaka tsotr’izao ary azo sokajiana ho feno kabary fihatsarambelatsihy mihitsy. 2 andro taorian’ny fandikan-dalàna nataony dia voasambotra ny olona nanely tsaho tany anaty tambajotra fesiboky, fa am-bolana kosa tsy hita izay fanenjehana ny olona nandoro trano miisa 487 tany Antsakabary, ka dia ny hoe mandeha ny fanadihadiana foana no hasisika, izay toa fanompana vahoaka ankitsirano. Miezaka manadio tena sy maka ny fon’ny any ifotony ny fanjakana ka vola 2 405 500 000 ariary no voalaza fa handoavana ny volan’ny kaominina 489, ka manomboka anio ka hatramin’ny 15 jona no handoavana azy io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.