Politique

Tatitr’i Gulnara Shahinian Mahatsiaro ho hadinon’ny fanjakana ny Vahoaka


  • Alakamisy 20 Desambra 2012

Nahita ny zava-misy marina eny anivon’ny fiarahamonina tamin’ireo tanŕna 6 notsidihany Rtoa Gulnara Shahinian, mpampakateny manokana momba ny fanandevozana amin’ny endriny ankehitriny eo anivon’ny Firenena Mikambana.

 Nahita maso sady afaka nifampiresaka mivantana tamin’ireo olona iharan’ireo karazana tranga sokajiana ho fanandevozana ny tenany. Misy tokoa, hoy izy ny ankizy tsy ampy taona terena hanambady sahady ary lahiantitra indraindray no atao vadiny. Misy aza zazavavy vao 10 taona dia efa iharan’izany. Ao koa ny ankizy mikarama miasa an-trano na mitaona vato na miady tany amin’ireny toeram-pitrandrahana ireo mba hanampiana ny ray aman-dreniny na hanefana trosa. Nokianiny ny tsy fisian’ny andinin-dalàna miaro ireo ankizy miasa amin’ny tsy eran’ny ainy sy manasazy ireo mpampiasa azy. Momba izay ihany dia nolazainy fa manjaka koa ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna satria zara raha mihantra ny lalàna amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Mazava ho azy moa fa tsy mitombo ara-dalàna na ny saina na vatana ary tsy afa-mianatra koa ireo ankizy ireo. Teo anatrehan’izany dia nahatsapa ramatoa Gulnara Shahinian fa kely loatra ny teti-bola atokan’ny fanjakana amin’ny seha-panabeazana sy fahasalamana ka mihamanalavitra ny fanatrarana ny fanambin’ny taona arivo fahatelo izay efa akaiky dia akaiky azy isika teo aloha.

“Tsy hita any ambanivohitra ny fanjakana ary mahatsiaro ny ho irery ny vahoaka. Ny Fokontany izao no rafitra mba tena ianteherany ka tokony homena fanofanana momba izany ireo mpitantanana Fokontany. Ankoatra izay dia aleon’ny olona kokoa nampihatra ny dina sy fitsipi-pifehezana azy ireo manokana toa izay ny lalàna”, hoy hatrany ny tatitry ramatoa Gulnara. Fa isany tena nanamarika azy koa ny fahenoana fa mbola misy eto Madagasikara ny fanilikiliahana ireo ambara fa taranaka andevo. Raha ny 70%-n’ny Malagasy no mahantra dia ireto farany avokoa no mameno 50% ka nilazany fa tsy handroso mihitsy Madagasikara raha tsy sitranina io aretina io. Raha nihaona tamin’ny praiminisitra Beriziky moa izy dia nilaza mazava fa tsy hisy fandrosoana, tsy ho foana koa ny fanandevozana amin’ny endriny maoderina raha tsy mandray fepetra hentitra hiadiana amin’ny fahantarana ny mpitondra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT