Politique

Taratasy misokatra «Lanjalanjao ny teny avoaka», hoy ny zafikelin’i Tsiranana


  • Talata 18 Mey 2010

Tsy hay ny tsy hangina, hoy ny zafikelin’ny rain’ny fahaleovantena, Eliana Bezaza, sady Sekretera jeneralin’ny komity misahana ny jobily volamenan’ny filoha Philibert Tsiranana, tamin’ny taratasy misokatra nataony manoloana ny filazan’i Andry Rajoelina fa tsy nisy zava-bitan’ireo filoha rehetra teo aloha.

Niantso ny filohan’ny FAT àry ity zafikelin’i Philibert Tsiranana ity mba hanao izay tatitra momba ny tena zava-bitany, hanaporofoana fa tena be tokoa ny vitany. Ao anatin’izany ny momba ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana, ny fampiakarana ny fitomboan’ny harin-karena, ny momba ireo mpiasam-panjakana. «Nihena ve ny kolikoly ?», hoy ihany ity zafikelin’ny filoha Tsiranana ity. Nasiany teny koa ny momba ireo fotodrafitrasa vita sy notokanana. Tsy mendrika ho ana olona milaza azy ho raiamandreny sy mpitondra Fanjakana ny fanakianana sy ny fanaratsiana mpitondra teo aloha, hoy ilay taratasy. Tsy ny filohan’ny FAT ihany no nahazo fanamarihana fa teo ihany koa I Camille Vital, praiminisitra FAT. Nambaran’i Eliana Bezaza fa zanaky ny Repoblika voalohany i Vital. Andry Rajoelina no tsy nahafantatra izany Repoblika voalohany izany, araka ny fanazavana. Torohevitra moa no nataon’ny zafikelin’ny filoha Tsiranana ny amin’ny tokony handanjalanjan’ny rehetra ny teny avoaka, indrindra fa hoe mpitondra fanjakana. 

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT