Politique

Taratasy ho an’i Jean ‘Zany an ?


  • Alarobia 06 Febroary 2013

«‘Zany an ?». Io indray izao no tena malaza eo amin’ny fiarahamonina eto amintsika mety hisolo tanteraka an’ilay hoe : “Misy mihaino !” ry Jean â !

 Raha ny marina dia tsy tena vaovao loatra izy ity fa efa elaela ihany no nahenoana azy tany ho any saingy tsy mbola nisy nivoy loatra raha tsy izao alefa matetika amin’ny haino aman-jery izao. Teny miendrika fanontaniana mananihany izy ity raha tsorina, ary ohatran’ny hoe olona karapilo be mody tsy mahay n’inona n’inona izany no miteny azy, mba handrangitana an’ilay miresaka aminy. I Jean izao no tena mahay mampiasa ity teny ity satria mety tsara amin’ny toetranareo hafahafa fomba fijery izay izy ity. Raha tamin’i Jean ilay nanoratako farany iny izao hoe : “tsy hisy olona hanaiky izany hoe tsy mahavita zavatra na tsy mety ny ataony izany eto ry Jean”, dia azoko antoka fa io teny vaovao “‘Zany an ?” io no tsy maintsy namalian’i Jean ahy raha toa efa nalazalaza teo io.

Hitan’i Jean anefa izao fa tsy diso tamin’ny famakafakana mihitsy aho, raha mba hindrana ny tenin’ny mpahay azy izay. Dia tsy diso mihitsy koa aho ry Jean raha nilaza teto amin’ity taratasy nalefako ho an’ise ity ihany, volana vitsivitsy lasa izay, fa hihemotra amin’ny volana jolay ity fifidianana ity raha toy izao ny fandehany, ka inona tokoa ? Tamin’izany aloha ise raha efa nahay ilay fitenenana tsy maintsy nanaraby ahy hoe : “‘Zany an ? “… Soa ihany ! Vao omaly ny omaly aho ry Jean no nilaza tamin’ise fa tsy misy olona hiaiky fa tsy nahavita zavatra izany teto â ! Efa fantatra mialoha fa tsy maintsy ny “‘Zany an ? “ no navalin’ise an’io raha efa hainy ise ity fitenenana ity.

Ka inona moa izao no nitranga fa tsy miverina indray ilay diska efa goaka taloha hoe “Tsy hiala aho ê” na dia somary miova kely fotsiny aza hoe : “Tsy hiala izany aho fa nahatanteraka ny nifanarahana”. Dia aleo izaho mihitsy no mba hampiasa ny hoe : “‘Zany an ?” ry Jean eto â ! Inona moa no hahagaga amin’izany fa ise vao zaza iray ranonorana io aza efa sahy niteny vao tonga teo amin’ny fitantana fa hoe “Hena an-tanan-tSAKA ve ho havotsotra intsony ?” mainka fa ny piso dia maro an’isa tafaverina ao anaty fitondrana ? Tahaka izany koa ny kary nodakan’ise efa-taona lasa izay nefa notambazana hiverina an-dapa indray, indrindra ny kary tena vandana sahy namadika an-kitsirano ny namany ? Saka avokoa ry Jean, na ny piso na ny kary â ! samy tsy mamotsotra hena an-tanana izany, indrindra izao hitombo indray ny volana hikirakirana sôsy hahazoana hena an-taoniny maro fa nihemotra ilay zavatra. Ary toa variana be ise fa aiza ilay teny “‘Zany an ?” fanaon’ise teo ê ? Izany sa tsy izany ê ?

Aza tezitra moa ê !
Marco be vazivazy ihany ‘ty. Bye !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT