Politique

Taratasin’i Jean : Anatry ny sisa


  • Alakamisy 07 Febroary 2013

Miarahaba anao ry Jean amin’ity andro manokana hahatsiarovana ilay andro nangidy teto amin’ny firenena ity â !

 Tamberina kely ny ahy ry Jean hoe iza tokoa moa izany no tompon’antoka tamin’iny e ? Nentinareo nanani-dapa ny olona, nataonareo sorona. Samy mahalala anefa na izaho na ianao fa tsy maintsy hiaro tena izay tafihina, na iza na iza, eny na tranon’olon-tsotra aza maika fa hoe lapam-panjakana. Izay iray, fa ny tena fanontaniana tsy mbola voavaly hatramin’izao ny hoe : iza tokoa àry ireo tena nitifitra tamin’iny ê ? Iza no nitifitra ilay mpanao gazety mpaka sary izay namela hafatra satria nahita ny marina ?

Tsy sanatria aho mandatsa na mamoha fotamandry ry Jean, fa dia mahonena tokoa ireo kamboty, mananon-tena, nitondra takaitra tsy fidiny kanefa ianareo toa milamin-tsaina fa nahazo seza. Heveriko ry Jean fa fitaovana ho anatra ho an’ny rehetra iny any aoriana fa tsy fanao ary fady ny mananika lapam-panjakana izany. Na aiza na aiza, na inona ho antony na inona, dia ny sisa no tsy atao intsony na ohatrinona na ohatrinona ho sandany satria ny ankohonana sy ny tena ihany no hilanja ny vokany ê ! Fihetsika tsy voahevitra kely no hamoizana sy hanapotehana ny ho avy.

Marco 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT