Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
ara-toekarena, manamafy ny krizy politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Feno ihany koa ireo fepetra mety hisiana fipoahana, mitovitovy amin’ny sary nitranga talohan’ny toe-draharaha 2009, raha ny heverina fa ny nolazaina ho tsy nety tamin’izany no tarafina sy hitondrana fanatsimbadihana politika. Ny zavatra novoizina mafy, nentina nanamarinana ny fanonganam-panjakana tamin’izany no miverina ankehitriny sy mitombo avo folo heny raha kely ankehitriny. Nodradradradraina fa mpamadika tanindrazana i Marc Ravalomanana rehefa nanao fifanarahana fampanofana tany tamin’ny Orinasa Koreanina Daewoo Coorporation hambolena katsaka sy palma. « Daewoo dia anisan’ireo miteraka fahatezerana sy alahelom-bahoaka. Melohiko ireo nanasonia, ny governemanta, fa indrindra ny Filoham-pirenena. Amin’ny kolontsainay, dia tena fady ny mivarotra na mampanofa tany amin’ny vahiny », hoy i Andry Rajoelina tamin’ny gazety France Afrique 16 taona lasa teo izay. Ankehitriny, io mivoaka io ny resaka fampiasana tany 60 000ha hampiasain’ny Israelianina hambolena katsaka sy katsaka. Nikoropaka ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ka nilaza fa tsy misy resaka fivarotan-tanindrazana, saingy betsaka ny tranga mampanahy, tsy io ihany fa mbola eo ny fiantsoana ny arabo toy ny any Bas Mangoky misy resaka tany an’aliny hekitara tsy mangarahara, ny resaka Nosy Mitsio, ny filazan’i Andry Rajoelina nivantana tany Dubaï vao andro vitsy fa betsaka ny tany azo trandrahana aty, betsaka ny harena an-kibon’ny tany,… Firifiry ireo tany ataon’ny vahiny be fandraoka eto ary raha nivoaka voalohany tany Maurice i Andry Rajoelina ny 2019 dia nilaza hanome 80Ha ho an’ny Maorisianina? Izao lasa mety fa tamin’izany tena famahadihan-tanindrazana goavana sy antony hahafahana manongam-panjakana ? Raha novoizina ny ampihimamba tamin’izany, ny amin’izao miampy kolikoly avo lenta isan-tsehatra, fitotonganan’ny fiainam-bahoaka, fahantrana mandifotr’olona, famadihan-tanindrazana amin’ny endriny maro, zom-pirenena vahiny,… Betsaka ireo toe-draharaha mafampana, toy ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Nanaovana litania talohan’ny 2009 ny : 1% fotsiny ny tamberiny avy amin’ireo orinasa lehibe fa izao izy firy isan-jato ? Nahavita nanatsimbadika izany ny Fitondrana Rajoelina ? Dia io mbola ifanjevoana io ny tetikasa Base Toliara.
MIFAMELY AO ANATINY
Ara-politika, manomboka mibaribary ny fipoahana anaty ao anaty Fitondrana, ka anisan’ny heverina fa fanombohany io resaka ampamoaka sy fandrahonana ataon’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy io, izay mikitika sy manozongozona ny heverina fa hery goavana ara-toekarena mitazona ny Fitondrana. Heverina ihany koa anefa fa mety avy ao anatiny ihany no manetsika azy io. Eo amin’ireo andrim-panjakana, mifamely ny samy mpitondra, toy ny nataon’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy izay nilaza mikasika ny dia any ivelany ataon’ny mpanatanteraka tsy misy vokany hoe : «Ny fitsidihana sy ny dia nandeha tatsy sy nandeha taroa ange tsy vokatra e ! Nefa ireny no atao serasera be fa ny tena antony, ny votoatin’izy ireny ary ny vokatra azo tamin’izy ireny toa tsy mba hita. Sa izay ilay midina ifotony fa mety izaho no tsy nahay sy tsy nahazo resaka. Ny olako dia avy eo ilay Filoha izay tohananay ihany no maivoka amin’ireto mpiara-miasa aminy toa misy sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery». Na miaro an-dRajoelina aza, dia mamely ny olon’ny fahefana mpanatanteraka. Dia io ihany koa ny fisiana olom-boafidy toy ny depiote mifamely amin’ny olon’ny governemanta, kanefa samy anatin’ny volomboasary, raha ny toe-draharaha mafana amin’ny fanangonan-tsonia hanonganana minisitra miisa 2 mpiahy ny faritanin’i Mahajanga, izay ampangain’ireo olom-boafidy ho sakana amin’ny fampandrosoana, tsy mahay miara-miasa amin’ny olom-boafidy,…
MANOMBOKA MIHAMAFY NY KRIZY…
Ny krizy anaty Fanjakana ireny, fa ny fipoahana sosialy efa betsaka no tsy takona hafenina intsony, toy ny fahatezeram-bahoaka vokatry ny delestazy, ny vidim-piainana midangana, tsy fandriampahalemana,… Talohan’ny 2009 aza azo niainana noho izao fa ireny no nitranga mainka fa ao anatin’izao fahantrana mandifotr’olona izao kanefa mbola mandeha ny teti-dratsy politika samihafa hifikirana amin’ny fahefana. Manomboka mipoitra ny soratsoratra toy ny hoe : « Rajoelina miala » fahita rehefa misy toe-draharaha politika mivaivay.
Toky R
Légende : Inona tamin’ny ambara fa famadihan-tanindrazana sy tsy fahombiazam-pitantanana nodradradradraina tamin’ny 2009 no tsy miseho sy vao mainka miha zava-doza aza amin’izao ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.