Lanonam-be omaly tetsy amin’ny Villa Pradon Antanimena tamin’ny fanokafana ny laharana 000 ny gazety an-tsoratra vaovao Free News izay ao anatin’ny vondrona Free.
Amin’ny teny malagasy sy frantsay izy io, hivoaka manomboka anio. Araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Free, Lalatiana Rakotondrazafy, dia endrika an-tsoratry ny onjam-peo Free.Fm ihany izy ity, izany hoe, mivantana sy hilaza ny marina, hanao tsikera.
AMBALAVAO
Kinga na Bajaj folo no indray nogiazana ny talata teo noho tsy fananan’izy ireo taratasy ara-dalàna hanao asa fitaterana olona ao Ambalavao-Tsieniparihy, taorian’ny fanarimanana nataon’ny ekipa teknika avy any Fianarantsoa. Efa nomena efa-bolana ireo Kinga ao Ambalavao hampanarahan-dalàna ny taratasin’ny fiara sy ny fahazoan-dalan’izy ireo, saingy variana nangatak’andro ka tratra vao mikoropaka.
MORONDAVA
Nentin’ny solombavambahoakan’i Lalangina nanao vakansy tany Morondava ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC avy any amin’ity Distrika iray any Matsiatra Ambony ity. Niisa 33 ireo delegasiona tonga tao an-drenivohitry ny Faritra Menabe, ny 2 septambra. Efatra andro no naharetan’ny fivahinianan’izy ireo tany an-toerana.
ANKAZOABO
Fiara mpitatitra iray, mampitohy an’Ankazoabo amin’i Sakaraha no nisy nanafika ny alatsinainy 5 septambra mitataovovonana, teo amin’ny toerana 25km tsy hidirana an’i Sakaraha. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ny telo tamin’ireo mpandeha tao anaty fiara, norobain’ireo mpanakan-dalana koa ny entan’ny mpandeha.
VOKOVOKO MANGA
Hampiantrano ny “Assemblée générale” ny Federasiona iraisam-pirenenan’ny Vokovoko Manga i Madagasikara amin’ny volana oktobra 2016. Hisy fampahafantarana izany hatao eny amin’ny Paon d’Or Ivato anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.