Politique

Taorian’ny raharaha Fort Duchesne Nanamafy ny firaisankinany ny ankolafy telo


  • Talata 25 Mey 2010

Pentekosta 2010. Samy nanana ny nankalazana izany ny tsirairay avy. Tao ireo nandray ny fanomezam-pahasoavana, ka tonga mpandray fanasan’ny Tompo. Tao ireo niala voly nanararaotra niala sasatra ka nitsangantsangana nandritra iny faran’ny herinandron’ny Pentekosta iny.

Nisy koa ireo nanjombona noho ny famoizana ny havana aman-tsakaiza sy ny ray aman-dreny. Ho an’ny ankolafy telo sy ny mpiara-dia amin’ny famerenana ny ara-dalàna aza dia zary lasa fotoam-pandevenana ireo lavo nandritra ny fifanafihan’ireo samy miaramila teny Mausolée Avaratr’Ankatso ny Pentekosta 2010. Na izany aza tsy nampiondrika azy ireo izany fa vao mainka nanehoan’izy ireo firaisankina sy ny fifankatiavana tamin’ny alalan’ny fifanotronana. Ny alahadin’ny pentekosta no nandevenana an-dRaharinjatovo Seta na i Dada Seta. Nentina nandalo teny amin’ny kianjan’ny finoana, teny amin’ny Magro Behoririka ny razana ary namakikavy ny araben’ny fahaleovantena notronin’ny olona maro mandra-pahatonga ny razana tao amin’ny fiangonana anglikanina etsy Avaratr’Anjoma nanaovana fotoam-pivavahana fanaovam-beloma farany azy, nialoha ny nametrahana azy tany am-pasan-drazany. Omaly alatsinain’ny pentekosta kosa no nandevenana ny mpitandrina Ranaivo Rivo Arison. Nitandrina teo anivon’ny Fjkm Ambatotokana Ambohimangakely ny tenany. Nanotrona izany ireo fianakaviana, tapaka sy namana ireo vahoaka, nanomboka teny Andohalo, toerana niaingan’ny razana ka hatrany am-pandevenana tany Ambohitrombihavana. Saika taratra tonga teny an-toerana koa ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ireo ankolafy 3, toy ny filoha teo aloha Zafy Albert mivady, Fetison Rakoto Andrianiriana, Ravololomanana Lalatiana sy ny maro hafa. Ny alahadin’ny Pentekosta dia nisy renim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona teo, nahatsiaro ary nivavaka manokana ho an’ny fialantsasatry ny fanahin’ireo nodimandry sy lavo tamin’iny 20 mey teny Fort Duchesne iny sy ireo mpitondra fivavahana, nandritra ny fotoam-bavaka nialoha ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny FLM 67 ha. Tao am-piangonana ny Minisitry ny filaminana anatiny ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Rakotomihantarizaka Organès tamin’io fotoana io.

Ny gazety Tia Tanindrazana moa dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT