Politique

Taorian’ny Kolonely Raymond Tadiavina halentika koa ny Komandŕ Roger Luc


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Efa manomboka mazava amin’izao fotoana fa tian’ny sasany halentika indray ny Komandŕ Roger Luc. Azo lazaina ho efa ôfisialy aza izany raha tarafina amin’ny hetsiky ny Praminisitra Camille Vital ny sabotsy lasa teo.

Namangy ny fianakavian’ny mana-manjo izy, teny Ambohimanarina, ary nampanantena fa hisy ny fanasaziana ara-miaramila izay hilatsaka momba ity raharaha ity. Manaraka izany, noraisin’ny fitondrana tetezamita an-tanana ihany koa ny lany rehetra tamin’ny fandevenana tany Ambohimena-Betafo-Antsirabe. Mbola nampian’ny Praiminisitra hatrany fa ny Fitsarana miaramila no handray an-tanana ny raharaha rehefa vita ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra. Manabaribary amin’izany fanambarana izany fa tsy hataon’ny FAT afa-maina i Roger Luc. Zara aza nisy an’iny raharaha iny mba hoentina handrehetana ny afo. Raha tsiahivina dia ny alin’ny alakamisy 20 mey teo no nitrangan’ity raharaha izay nivadika ho vonoan’olona ity. Nolazaina fa saika hamoaka miaramila sy basy tao amin’ny tobin’ny BANI ny Komandà Roger Luc mba entina hanampiana ny FIGN izay tao anatin’ny ady tamin’io fotoana io, saingy tsy navela.

Raha ny fanazavan’io Komandà io anefa dia noho ny toetra tsy mendrika nataon’ny mpiambina no nahatonga azy hamelaka tehamaina. Rehefa namoahana basy ary tsy navela hiditra tao amin’ny Toby mantsy ny zandrin’ity Komandà ity (miara-mipetraka aminy) dia voatery nivoaka ny tranony izy mba hijery ny zava-misy. Misy toetra nanafintohina azy ka namelany tehamaina ilay lietnà. Dia iny no nolazaina fa nitarika ny fahafatesany. Ankehitriny indray dia toa kitapo latsaka ho an’ny sasany ilay fahafatesana mba entina hamadihana azy ho fitaovana politika. Saingy raha ny re dia tsy hiditra amin’ny fitoriana ny fianakavian’ny maty satria fantatr’ireo izany ambadika rehetra izany. Rehefa tafalentika izany ny Lietnà-Kolonely Raymond dia hitodika any amin’ny Komandà Roger Luc indray ny FAT. Tantara mitohy...

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT