Politique

Taorian’i Sandton Mangina ny Ankolafy Ratsiraka


  • Alatsinainy 20 Jona 2011


 Ny Ankolafy Ratsiraka no hany tsy nandrenesam-peo na fanehoan-kevitra taorian’ny nivoahan’ny fampitam-baovao na fanambarana navoakan’ny SADC tatsy Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona lasa teo, tamin’ireo vondrona politika niisa 11 nasain’ny SADC tany Gaborone. Toromarika avy amin’ny amiraly Didier Ratsiraka mihitsy ny anton’io raha ny fanazavana fohy nataon’ny olona, niangavy tsy hotononina anarana, avy amin’ity Ankolafy ity. Na ny olon’ny Ankolafy Ratsiraka, mpandray fitenenana isan’andro etsy amin’ny Magro Behoririka, toy ny Printsy Elakovelo aza tonga ao ihany fa tsy mandray micro toy ny teo aloha.

Miandry ny fanitsiana ny sori-dalana nambaran’ny SADC tao amin’ny fanambarany ny Ankolafy Ratsiraka vao mety haneho hevitra. Ankoatra izay dia fantatra fa efa manomana ny fiverenan’ny amiraly Ratsiraka ny mpiara-dia aminy, ny fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita, taorian’ny tsy nampanan-kery intsony ny NOTAM navoakany tamin’ny 25 febroary 2011 dia nilaza fa tsy mametraka olana na sakana amin’ny fiverenany an-tanindrazana, sivy taona aty aorian’ny nanaovany sesitany ny tenany tany Frantsa.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT