Politique

Taona 2012 Taonan’ny grevy sy ny asan-dahalo ny tany Toliara


  • Zoma 04 Janoary 2013

Taonan’ny fitakiana samihafa nataon’ireo mpiasam-panjakana sy nanehoan’ny olon-tsotra ary ny tsy miankina ny tsy fahafaliany no anisan’ny nanamarika ny zava-nisy sy nitranga nisongadina tany Toliara, ny taona 2012 nivalona iny.

 Grevy lavareny. Nisongadina tamin’ny taona 2012 iny, ny grevy lavarenin’ny SEMPAMA (Sendikan’ny Mpampianatra Mpanabe) izay mbola vary mangatsiaka ho an’ny minisitra Manoro Régis hatramin’izao. Anisan’ny nanamarika iny taon-dasa iny ihany koa ny fitakian’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES sy ny an’ny mpiasan’ny fahasalamana ny tombontsoany. Nambaran’ireo dokotera    fa misy trosa tsy voaloan’ny fanjakana amin’izy ireo. Ny PARAMED (mpitsabo mpanampy) dia ny fampiakarana ho 1 200 ny mari-karama no antony nitokonan’izy ireo, ka nikapohany vilany. Farany teo dia ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana no nihetsika, izay mbola tantara hitohy amin’ity volana ity, satria 10% monja tamin’ny notakiana no azo. Nanao ny azy ihany koa ny mpianatry ny oniversite izay tsy te ho gisitra.

 

Karama 13 taona tsy voaloa. Toa ririnin-dasa tsy tsaroana sahady ny olana goavana nitranga tao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Toliara, ka niafara tamin’ny fangatahan’ireo mpiasan’ny Kaominina an-jatony tapaka sy tara karama, ny hanoloana an’ingahy Ben’ny tanàna Fiacre Hatimo ho PDS. Nitaky ny volany tsy voaloa nandritra ny 13 taona nahery ihany koa ireo mpiasan’ny Sumatex miisa 434. Ary ny miaramila efa misotro ronono aza dia sahy nihantsy ny FAT amin’ny handoavana amin’izay ireo tombontsoa nampanantenaina.

 

Remenabila. Nandravarava ny asan-dahalo sy Remenabila. Ity farany izay nahabe resaka teto amin’ny firenena moa dia tsy mbola voasambotra hatramin’izao na dia notambazana volabe. Namono sy nandroba fananan’olona tsotra izao ireo jiolahy nitam-basy sy ny mpanakan-dalana. Nahoraka ny varotra olona sy trafikana taova tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, ka ankizivavy 13 taona no lasibatra tamin’izany (maty) izay saika namidy 10 tapitrisa Ariary. Vaky «balle» ny Andramena tany Toliara. Basy an-jatony mahery saika hamatsiana ireo malaso no saron’ny polisy. Sokatra an’arivony no tratra. Nahazo laka ny famonoana teratany vahiny, ka tamin’ny 2012 iny dia nitodika tany Toliara avokoa ny mason’izao tontolo izao.

 

 

Delestazy. Mbola mitohy hatramin’izao ora anoratanay izao ny delestazy ataon’ny orinasam-panjakana tokana Jirama. Tsy antoandro, tsy alina fa mitohy hatrany ny fahatapahan-jiro. Nandritra ny fetin’ny taom-baovao teo aza dia naharitra ora 12 be izao ny delestazy. Toa aretina tsy ahitam-panafana izy ity, ka hatahorana hampitroatra indray ny vahoaka tony. Nanamarika ny faramparan’ny taona 2012 iny ny nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fahitalavitra tsy miankina voalohany TV Plus, ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo-Andrefana, ny 1 desambra 2012 teo.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT