Politique

Tantaran’i Dada Olomalaza an-tsary !


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010

Manomboka anio alakamisy 19 jolay no hanarahantsika mpamaky ato anatin’ny gazety Tia Tanindrazana ny “Tantaran’i Dada”. Tantara an-tsary entina hanasongadinana ireo olona nanana ny naha izy na manana ny maha izy azy (t)eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena izy ity hanatevenana ny fahalalan’ireo izay efa mahalala no sady hanampiana ireo tsy mbola mahafantatra ihany koa.

Misy sehatra vitsivitsy natao ho fialam-boly ho an’ny mpamaky, fa misy ihany koa ny notsongaina tao anatin’ny zava-nisy marina. Niainga avy tamin’ny hetahetan’ny mpamaky maro izy ity, indrindra ireo maniry ny hizara sy hampita amin’ny hafa ny tantaran’ireo olomalaza teto amin’ny firenena. Amin’ny alalan’ny tantara an-tsary no endrika hisehoany. Santatra am-bava rano ihany ny “Tantaran’i Dada” ho an’ireo mpamaky ny gazety Tia Tanindrazana. Ezahina mantsy ny hanohizana izany hahafahana mampita ny tantaran’ireo olomalaza teto amin’ny firenena ho an’ny taranaka amam-para. Koa irarianay eto amin’ny gazety Tia tanindrazana ny hahazoanao mpamaky fahalalana sy hafinaretana eo am-pamakiana izany. Dia mazoto mamaky daholo Tompoko.

 
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT