Tokony ho vahaolana mahomby hamahana ny krizy lavareny eto amintsika ny dinika hatao any Afrika Atsimo ary tokony hifototra hatrany tamin’izay tapaka tany Maputo, hoy ny Tanora Tiako I Madagasikara, izay nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly hariva.
Araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionaly, Riana Andriamandavy VII, dia laharam-pahamehana ny fifamelan-keloka saingy ny fomba hanatanterahana izany dia ao anatin’ny tenierana. Betsaka ny ratra sy ny fery nahazo ny rantsana Tanora tamin’izao krizy izao. Raha ny vaovao dia am-polony ireo mpikambana no voafonja noho ny fiampangana azy ireo tamin’ny fanehoan-keviny. Manoloana izany dia takian’ny Tanora Tiako I Madagasikara ny fampihavanana sy ny fifamelan-keloka ka ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CNR izay tarihin’ny profesora Zafy Albert no tokony hisahana izany. Fampihavanam-pirenena tena izy no hapetraka. Izany no mahatonga ity rantsana eo anivon’ny Tiako I Madagasikara ity milaza fa ny ankolafy efatra no mila manao tenierana. Mifanohy amin’izay ihany dia fantatra fa nesorin’ny birao nasionaly tsy ho sekretera jeneralin’ny Tanora Tiako I Madagasikara i Rakotovao Vyvato, izay olom-boatendry tamin’ny fotoan’andro. Raha ny fanazavana moa dia noho ny tsy fanajan’ity farany ny fitsipi-pifehezan’ny antoko no anton’izao fanesorana azy izao. Ho fantatra tsy ho ela moa izay ho solony. Nanamarika ny filohan’ny Tanora Tiako I Madagasikara fa tsy misy hifandraisany ny rafitra Tanora Tgv sy ny Tanora Tiako I Madagasikara. Tsy misy endrika na fikasana fampihavanana na fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hatreto, raha ny fanazavana ihany. Misy manko dingana tsy maintsy arahina, hoy ny Tanora Tiako I Madagasikara fa tsy azo atao amboletra ny fampihavanana. Nohamafisin’ireto mpikambana eo anivon’ny biraon’ny Tanora Tiako I Madagasikara ireto fa matoky tanteraka ny fanapahan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.