Politique

Tanora Tiako I Madagasikara “Aoka samy hampandefitra ny hambom-po !”


  • Alarobia 20 Jolay 2011


 Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny Tanora Tiako I Madagasikara. Nandrindra  ny serasera nataon’izy ireo tao amin’ny Foiben-toeran’ity antoko naorin’Atoa Marc Ravalomanana ity no nanaovan’izy ireo antso amin’ny antoko politika rehetra hametraka ny tombontsoam-pirenena ho ambony ka hampandefitra ny hambom-po. Eo amin’ny vahaolana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao dia mitaky ny hampiharana tsy misy hatak’andro ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana (CPS) an’ny Vondrona Afrikanina ny Tanora Tiako I Madagasikara, izay mamaritra ny hahafahan’ireo sesitany politika rehetra hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Manomana ny fitsenana an’ity farany izy ireo amin’izao fotoana, ary koa manohana ny filatsahany hofidiana Filoham-pirenena indray araka ny fanazavan’i Fanja, nitarika ity fihaonana ity. Ankoatra izay dia hentitra ny mpitondra teny, fa tsy manaiky ny fampiasana ny anaran'ny Tanora Tiako I Madagasikara ho amin'ny zavatra hafa izy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT