Politique

Tanora manohana ny filoha Ravalomanana Miantso olona madio ara-politika hitondra ny tetezamita


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010

Niala tamin’ny fahanginany ny tanora mijoro amin’ny fahamarinana, manohana ny filoha Ravalomanana, tarihin’i Ramy. Nihaona tamin’ny mpampalala vaovao izy ireo ny sabotsy 24 jolay teo nitondrany ny fahitan’izy ireo ny zava-misy amin’izao fotoana, indrindra fa ny fiantraikan’ny krizy amin’ny tanora.

«Fito arivo sy ray alina ny tanora very asa nandritra ny krizy, vitsy ny vatsimpianarana any ivelany, ny asa vitsy noho ny tolotra tsy ampy, nikatona ny tetikasa maro, ny fizahantany nidina ka lasa mirenireny ny tanora, mivarotena na sy mivarotra amoron-dalana», hoy ry Ramy mbamin-dry Rinah sy ry Rotsy ary ry Mamy sy Liva raha nanao bango tokana ny raharaha ankehitriny.

Eo amin’ny lafiny politika dia manohana ny politika napetraky ny filoha Marc Ravalomanana izay misokatra amin’izao tontolo zao ireto tanora ireo. Nasian-dresaka koa ny fikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy, ka tamin’izany no nilazan’izy ireo fa makasitraka ny dinika rehetra mitondra vahaolana toy ny any Kampala (Ouganda). Tohanan’izy ireo avokoa ireo dinika iarahana ary eken’ny iraisam-pirenena. Manolotra hevitra koa izy ireo mba hanaovana fihaonamben’ireo mpifanandrina politika. Tetsy ankilan’izany dia mitaky ny famoahana am-ponja ny mpitarika tanora ankoatra ny gadra politika izy ireo. Farany, miantso izay olona madio tsy mbola maloto tamin’ny resaka politika ary tsy miandany amin’ny firehana hitondra ny tetezamita, ihany koa ny tanora manohana ny filoha Ravalomanana ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT