Politique

Tanora Gasy Vonona Matahotra ny handeha irery


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Tsy mbola mahafantatra izany TGV izany ny any Tolagnaro, indrindra any amin’ireo Kaominina manodidina ny renivohitr’Anôsy, hoy ny fanehoan-kevitry ny olona sendra ny Tia Tanindrazana tany an-toerana.

 Amindry zareo, raha vao miteny hoe TGV dia krizy, fijaliana, vidim-piainana lafo no mby ao an-tsaina. Mahakasika ity antoko naorin’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT ity dia saika olona fantapantatra eny no antsoina ho mpikambana ao aminy. Mandainga izay milaza fa efa mahenika ny distrika ity antoko iray ity, hoy ny navalin’ireo mponina any ambanivolo nanaovana fanadihadiana. Ireo nitonona ho TGV tamin’izany fotoana izany dia efa manomboka misintaka avokoa, antony iray mahatonga ity antoko ity mety tsy ho afaka handeha irery amin’ny fifidianana ho avy eo fa hialokaloka amin’ireo vondron’antoko mpiara-dia sy mpanohana ny FAT.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT