Politique

Tandremo ! Misy mampiady ny Malagasy


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Mirongatra ny fitsaram-bahoaka izay toa misy ambadika hafahafa. Kendrena izay hampiady sy hampifamono ny vahoaka mba hahafahana misikotra tsikelikely ny harenan’i Madagasikara.

 

 Isika Malagasy rahateo mbola ambany ny fari-pahalalana ary mora mandray am-bolony ka izay no tadiavin’ny hafa hararaotina sy hampiadiana antsika mba hahafahany manatanteraka ny tanjony. Rehefa variana amin’ny ady sy ny savorovoro ny Malagasy dia ho avy amin’izay ireo vahiny sy ny mpiray tsikombakomba aminy handroba ny harena. Hita ho mbola miray hina amin’ny fiarovana ny taniny anefa ny Malagasy raha jerena amin’ny zava-misy tany Soamahamanina saingy raha hihinana am-bolony sy hanaiky hampiadiana dia ho potika eto. Manana harena ankibon’ny tany maro i Madagasikara ary ahitana volamena, fasimainty, diamondra, safira sy ny maro hafa ny faritra Atsimo Atsinanana. Tafiditra ao anatin’izany i Mananjary izay nisian’ny fitsaram-bahoaka vao andro vitsy monja. Voizina ankehitriny ny fankahalana ny olona avy any noho ny fomba amam-panao any an-toerana ka kendrena ny hampitoka-monina ity faritra ity ary hiditra any an-toerana amin’izay ireo vahiny mpanao tantely afa-drakotra ny haren’i Madagasikara sy ireo mpiray tendro aminy avy eo. Rehefa iharan’ny ankivy ny tanàna iray ka lasa mahantra dia ho mora hambakaina. Ny resaka finoana sy ny fomban-drazana no entina hampisaraham-bazana kanefa azo atao tsara ny mifampiresaka sy mifampidinika. Ny mahagaga dia tsy mahita vahaolana mivaingana manoloana ny savorovoro sy fitsaram-bahoaka ny mpitondra ary tsy te hiditra lalina kanefa ny olona efa mifamono ka ireo olobe eny ifotony no miezaka mamaha ny olana. Mitovitovy amin’izao tranga misy izao ny tany Soudan noho ny fisian’ny solika any an-toerana ka nezahina nampiadiana ny vahoaka. Mbola mitohy mandrak’ankehitriny ny savorovoro any Irak izay sahala amin’izany ihany koa ny paikady nentina nitrandraka ny hareny. Mila mitandrina ny Malagasy mba tsy hijabaka ao anaty fandrika fa raha tsy izay dia ho raikitra ny savorovoro ary hifanapotika eto isika.

 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT