Halohalika ny ranom-bary ary dia mikoropaka tanteraka i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy ao an-dapa, hatramin’ny nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy ho kandida izy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.
Voalohany aloha dia tapa-kevitra ihany ny hihazo an’i Tanzania i Andry Rajoelina, hihaona amin’ny filoha Kikwete, izay mitarika ny Troika, fa hoe mila miresaka ry zareo mba handinihana ny hivoahana amin’ny krizy sy ny hoavin’i Madagasikara, fa hoe nanaiky ny hihaona aminy ny filoha Kikwete. Tahaka ny hoe i Andry Rajoelina izany no mibaiko ny filohan’ny Troika mba hihaona aminy, amin’ny fotoana maha mety azy. Nantsoina hanatrika ny fivorian’ny SADC mantsy i Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo, tsiahivina ihany, fa nidongy tsy nety nandeha. Fa rehefa izy no mampiantso fivoriana, na tompon-kevitra amin’ny fihaonana, dia izay izy vao ho any Tanzania. Tato anatin’ny telo andro izao efa totoafo tao amin’ny onjampeo Viva, ny fanakianana ilay fanambaran’i Marc Ravalomanana sy ny fanesoesoana ity filoha teo aloha ity, ary ny fanatsatsoana ny zavatra nambarany.
Omaly hariva indray dia niaka-tsehatra tao amin’ny RNM sy TVM ny mpiara-miasa mirahalahy, tena akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita dia tsy iza izany fa Atoa isany Augustin Andriamananoro, mpanolotsaina manokana sy Nihry Lanto Andriamahazo mpandrindra ankapobeny ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita. Mbola fanesoana sy fanatsatsoana ilay fanambaran’i Marc Ravalomanana ihany no votoatin-dresak’izy mirahalahy ireto. Mahagaga ! Hody an-tanindrana Atoa Marc Ravalomanana, variraraka ny NOTAM sy ny fanetsehana ny miaramila, hisakanana azy tsy hanitsaka an’i Madagasikara, nony injay milaza indray Atoa Ravalomanana fa tsy ho kandida, vaky loha tanteraka indray ny tandapa. May volon-tratra, izay ny teny Malagasy ofisialy azo hamaritana izao fihetsiketsehana be tato anatin’ny roa andro nataon’Ambohitsorohitra izao.
Fa inona tokoa moa no antony hanaovana serasera be tahaka ireny, raha toa ka sokajiana ho efa malemy sy tsy misy mpanaraka intsony i Marc Ravalomanana e ? Raha tena sahy ny filohan’ny tetezamita dia nahoana no tsy nidrikina hatramin’ny farany fa tsy nandeha tany Tanzania, satria efa fantany tsara ny ho tenenin’ny SADC aminy, any. Araka ny tenin’Atoa Nirhy Lanto Andriamahazo, omaly hariva tao amin’ny TVM dia nanaitra azy ilay fanambaran-dRavalomanana, ary azo antoka fa taitra tahaka azy koa ny ankamaroan’ireo tandapa koa dia izao mikorapaka izao. Manova zavatra betsaka mantsy ny tsy filatsahan’i Marc Ravalomanana, ary raha atao hoe hoentin’ny mokon-dohany ihany i Andry Rajoelina ka ho kandida, dia ho lany izy fa tsy amim-boninahitra, satria tsy sahy nifanandrina tamin’ilay filoha farany voafidim-bahoaka teto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.