Politique

Tambinkaraman’ny mpizaika Nikorontana tao Alarobia alina


  • Alakamisy 16 Septambra 2010

Nitodika tanteraka teny Alarobia, tao amin’ny LTPI ny marimarina kokoa, omaly ny sain’ny mpanara-baovao noho ny zava-niseho izay azo lazaina ho nisesisesy ihany.

Raha ny baomba no nalaza teny ny maraina sy ny antoandro dia savorovoro kosa ny alina. Nisahotaka mantsy ireo mpizaika izay nipetraka tao rehefa tsy nahazo ny tambinkaraman’izy ireo. Nirohotra nangataka izany izy ireo ary teo no saika naharaikitra ny korontana. Tsy mbola nivoaka aloha izany vola izany alina ary vokatry ny zava-misy dia nilaza ireo mpizaika an-jatony maro fa tsy hihazo ny CCI Ivato anatanterahana ny fihaonambem-pirenena intsony anio raha tsy voaloa io vola io. Endrika iray izay mbola hisehoan’ny tsy fahamatorana ary koa ny peta-toko teo amin’ny fikarakarana ity zava-niseho ity. Raha tsy hilaza afa tsy ny isan’ny olona nihoatra, ny tsy fahatomombanan’ny ara-tsakafo sy rano, ny fandrahonana maro isan-karazany ary koa ny famenoana isa fotsiny. Izao koa dia ny amin’ny ain-dehiben’ireo mpandray anjara mihitsy no voakitika. Asa izay ho fivoaran’ity fihaonambem-pirenena ity anio fa raha ny fitarainana aloha dia maro tsy tambo isaina ny avy amin’ireo mpandray anjara.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT