Miha mahazo vahana tato ho ato ny famorian’olona amin’ny endriny maro. Nanao ny azy ny mpanao politika fa tsy dia nahazo olona.
Any amin’ny resa-pinoana no mbola mitana ny lohaharana amin’ny fahazoana vahoaka. Nanao ny azy teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Apokalipsy ny 13 aogositra, nankalaza ny faha-20 taonany. Feno hipoka ity toerana ity. Ho eny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny Vahao ny Oloko rahampitso sabotsy 9 septambra. Manomana fihaonambe tsy ho ela ihany koa ny eo anivon’ny Fiangonana katolika. Samy mampiseho ny tanjany ny fiangonana amin’izao fotoana izao ary toa maneho fa tsy azo tsinontsinoavina ny fisian’izy ireo eto amin’ny firenena. Hita taratra ankehitriny fa tsy afa-misaraka ny raharaham-pirenena sy ny finoana ka samy maneho ny heriny avokoa ny fiangonana ary toa efa vonona hanamafy izany tanjany izany amin’ny lafiny maro.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.