Politique

Tahotry ny fifidianana 2018 Manomboka ny kajy maloton’ny HVM


  • Sabotsy 29 Oktobra 2016

Malaza indray tato ho ato ny fanalan’ny fanjakana ireo ben’ny tanàna amina toerana maro manerana ny nosy.

Any amin’ny distrikan’i Betroka, ohatra, dia ben’ny tanàna amina kaominina  4 be izao no kendrena hoesorina amin’ny toerany ary olon’ny HVM izay efa naloam-bahoaka ka tsy lany tamin’ny fifidianana avokoa no tian-kapetraka hasolo azy ireo raha ny vaovao azo. Toy izany ny any Manambaro Tolagnaro. Iharan’ny antsojay avokoa ireo ben’ny tanàna tsy lanilan’ny vavonin’ny HVM ary hataony izay hanalana azy amin’ny fomba rehetra rehefa tsy vitany ny nanova ireo ben’ny tanàna izay tsy lany tamin’ny anaran’ny antokony hiara-dalana aminy. Raikitra ny teritery politika ka atao izay hamotehana ireny olona tsy manaiky hataon’ny antokony fitaovana politika ireny. Hatao ny an-kivy amin’ny endriny rehetra ka voatery tsy maintsy miara-dalana amin’ny HVM. Rehefa manda tsy hiaraka aminy dia hamoronana hevitra maloto sy haongana. Efa manomana ny fifidianana sahady ny fitondrana ka manao kajikajy eny ifotony raha ny fandinihana azy. Ny fifidianana sefom-pokontany ihany koa izao dia namoahan’ny minisiteran’ny atitany didy fampiatoana izay tsy fantatra mazava ny antony. Maro ny mahita fa misy kajy politika vaovao indray ao ambadik’izany mba ho fiatrehana ny 2018. Vao izao dia efa mandeha ny antsojay sy ny politika maloto, mainka fa rehefa tena ao anatin’ny fifidianana !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT