Politique

Tahotra ny Ankolafy Telo Tsy nomena Ambohijatovo


  • Zoma 22 Oktobra 2010

Efa mipetraka ara-dalàna avokoa ny taratasy fangatahana rehetra ny kianjan’ny demokrasia izay tsiahivina fa ingahy Andry Rajoelaina ihany no nametraka izany anarana izany. Mbola ahitana fomba hialana bala hatrany anefa ny tsy hahazoan’ny mpanohana ny ankolafy telo an’izany.

Voaporofo mantsy fa mbola marobe ireo olona manohana ary tsy miala hatramin’ny farany mba ho fampanjakana ny ara-dalàna tamin’ny alatsinainy teo, taorian’ny antso nataon’i Fetison Rakoto Andrianirina. Lazaina indray fa tsy azo hanehoana hevitra intsony ny kianjan’ny demokrasia satria natokana ho an’ny hetsika ara-pivavahana sy ara-koltoraly fotsiny ihany. Manampy izay indray dia nolazaina fa efa nisy namandrika dieny mialoha io toerana io. Nohamaivanina hatrany ny hetsika tao amin’ny Magro ary voizina fa mihena isan’andro ny mpanohana. Lazaina fa manao tsipaky ny miala aina. Rehefa mihetsika indray ka an’aliny no tonga dia may indray ny endim-boanjon’ny mpitondra.

Rehefa mandeha ara-dalàna avokoa ny fangatahana rehetra dia tadiavina avokoa izao tetika rehetra izao entina hanohanana an’izany. Analamaitso, kianja izay tsy fantatr’olona any Analamahitsy, amin’izay tsy mahazaka olona afa-tsy 200, no mody omena, fa io hono no tsy misy mampiasa, mba tsy hanaratsiana ny laza avy eo. Izany no atao hoe demokrasia amin’izao fotoana kanefa dia notatatataina talohan’ny fanonganam-panjakana fa izany no tena ho laharam-pahamehana raha vao azo ny fitondrana. Aoka ho vavolombelona ny tantara...
 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT