Politique

Tahotra an’i Dadavalo Manomboka ny fanosoram-potaka


  • Talata 11 Oktobra 2016

Manoloana ny hetsika ataon’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana etsy sy eroa, amin’ny fihezahany manatona akaiky ny vahoaka malagasy manerana izay toerana handalovany ka hitsidiany manokana azy ireny dia tsapa fa manomboka misy indray ireo sokajin’olona iniana hampidirina hiteny amin’ireo

onjam-peo tsy miankina sasantsany eto an-drenivohitra ankehitriny, toy ity « Consultant » nivahiny nivantana tao amin’ny iray tamin’ireo onjam-peo ireo omaly alatsinainy 10 oktobra 2016. Raha tsorina dia nolazainy fa mpamakafaka ny raharaham-pirenena tsy miandany na amin’iza na amin’iza  izy. Rehefa nandeha anefa ny resaka dia niharihary fa anisan’ireo manohana an-jambany an’izao fitondrana izao ranama ary asaina manosom-potaka indray an’i Marc Ravalomanana toy ny natao tamin’ny 2009. Tsapa fa anisan’ireo tsy maty voalavo an-kibo amin’ny fanaovana halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao an’i Dada ity olona ity ary tena anisan’ireo tsy nahatanty ny fivoarana nentiny teo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara tamin’ny fotoanandrony. Toa efa asaina mivoy sahady indray ny resaka « Ni…Ni… » tsy hahazoan’ireo mety ho kandidà avo lenta toa an’i Dada sy ny hafa hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena manaraka eo.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT