Politique

Taheza filohan’ny antoko AMSM Tokony hody Ravalomanana


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Manao ranolava ny fanehoan-kevitra mikasika ilay fanapahan-kevitry ny SADC tamin’ny alahadin’ny Pentekosta teo nilaza ny tokony hiverenan’ireo sesitany rehetra any ivelany eto Madagasikara tsy misy fepetra, indrindra ny Filoha Marc Ravalomanana. Mampirisika ny SADC amin’ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ireny fehin-kevitra tapaka ireny ny RCM Nasionaly (Rassemblement des Citoyens de Madagascar) ohatra ary miantso ny Tafika Malagasy koa “mba hanamorana ny fanatanterahana io fanapahan-kevitry ny SADC io”. Ho an’ny antoko AMSM kosa (Antoko Miaro ny Sarangan’ny Malagasy), izay nosoloan’ny filohany tena, ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Taheza,  dia nilaza mazava fa : «Rariny sy hitsiny ny nataon-dry zareo SADC momba ny fankatoavana ny sori-dalana satria noho ny heloka nataon-dRavalomanana tamin’ny 7 febroary dia miandry azy ny fitsarana eto an-toerana fa raha mialokaloka any Afrika Atsimo izy dia tsy hilamina ny fanjakana. Tokony hody tokoa izy, araka izany, fa miandry azy io fitsarana malagasy io».

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT