Nitondra ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Fikamban’ny Vahoaka Malagasy Miavo-tena (FVMM) tamin’ny alalan’ny filohany Taf’s Ramahafadrahona omaly.
Manoloana ny resaka mandeha amin’ny tokony hanalana ny mpitondra amin’ny toerany dia nambarany fa tsy laharam-pahamehana ny fandrodanana izao fitondrana izao. Milaza ho tsy manohana ny fitondrana ny FVMM fa miaro kosa ny tombotsoan’ny Malagasy raha ny fanazavany. Tsy fotoanan’ny fidinana an-dalam-be intsony izao, araka ny tenin’ ity filohan’ny Fikambanana ity fa fotoana kosa hijerena izay mahasoa ny isan-tokantrano. Tsisy zavatra tsy vitan’ny fifampidinihana, hoy izy ka tokony haroso io fifampidinihana io satria lasa manao dingan-dray miverina in-droa isika raha miditra amin’izany fanonganana mety hitarika krizy izany. Ny zava-misy eto amintsika anefa dia ny fanjakana tokony hanoka-baravarana indray no sakana amin’ny fifampidinihana. Efa hatramin’ny vondrona iraisam-pirenena no mitaky ny hisian’ny fifampiresahana saingy toy ny rano ampandalovina amin’ny lamosin-gisa izany hatreto. Efa nanambara ny fahavononany hitarika ny fampihavanam-pirenena ny filoha saingy nijanona ho resaka fotsiny izany. Tsy mba misy ny finiavana hiara-mitady vahaolana manoloana izao fahatram-bahoaka izao fa voafatotry ny hambom-po politika tsy mampandroso ny mpitondra sy ny ankamaroan’ny mpanao politika Malagasy ka ny vahoaka foana no lasa sorona.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.