Politique

Tabera Randriamanantsoa “Tsy hiditra amin’ny fomban-jiolahy ny Ankolafy Telo”


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy raha tsy misy ny Ankolafy Telo, hoy ny depiote Raharisaina tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

Efa napetraka, hoy izy ireo fepetra takiana ahafahan’ny Ankolafy Telo  miroso amin’ny dinika, dia ny fiverenan’ireo sesitany, dia ireo filoham-pirenena roalahy, ny famoahana ireo gadra politika, izany dia hisiana fitoniana ara-politika eto amin’ny firenena. Araka izany, hoy ny pastera Edouard dia tsy ho voasolo ny Ankolafy Telo. Araka ny fanazavan’i Tabera Randriamanantsoa kosa dia anisan’ny fepetra notakian’ireo solontena vahiny tamin’ny CNOSC ny fandraisan’anjaran’ny ankolafy Ratsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana anjara amin’io dinika io. Tsy hiditra amin’ny fomban-jiolahy ny Ankolafy Telo, hoy izy satria manana vahoaka Hendry sy filoha Hendry. Niboridana teo imason’ny iraisam-pirenena tokoa manko, hoy kosa Rakotoamboa Jean Louis, ireo milaza azy ho mpanao politika. “Fomban-jiolahimboto no nivoitra teny”, hoy izy. Tsy maintsy miverina ho Ankolafy efatra ny mpidinika ka raha miziriziry Rajoelina dia miala.

Fantatra moa fa ny 7 na 8 septambra any ho any dia ho avy eto amintsika ny mpitarika ireo mpanelanelana iraisam-pirenena, ingahy Joaquim Chissano. Momba ny fitsarana ny raharaha 7 febroary moa dia nanamarika ny filoha nasionalin’ny Teza fa tokony hotsaraina ihany koa izay nikononkonona tamin’ny fitondrana ireo vahoaka hanafika lapam-panjakana fa tsy fitsarana amboamboarina toa io, hiampangana fotsiny ny filoha Ravalomanana. Tsy misy tombontsoam-bahoaka, hoy ny depiote Rodin. Ministra efa nesorina no tadiavina haverina. Fantatra moa fa amin’ity andro anio ity dia hisy hetsika manokana etsy amin’ny kianjan’ny Finoana, fantatra ihany koa fa handray vahiny ny Ankolafy Telo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT