«Niatrika olona mpandainga eran-tany izahay tany Pretoria, dia i Andry Rajoelina». Io no fehezanteny voalohany nambaran’i Tabera Randriamanantsoa, raha nanao tatitra tsotsotra ny diany tany Pretoria ny tenany.
Raha nihaona Ravalomanana sy Rajoelina teo anatrehan’ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma, hoy izy, dia niantso vonjy ny amin’izay tokony hataony. Niaiky, hoy izy, ny filohan’ny FAT tany an-toerana fa ny Frantsay no nanao ilay sori-dalana. Hany vahaolana naroson’ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Zuma nanoloana ny fitalahoan’i Andry Rajoelina, hoy ihany i Tabera dia ny fanilihana ny Frantsay sy ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Nibadabada nanoloana ny mpitarika ireo ankolafy 4 Rajoelina fa hoe diso, tsy mahazaka intsony, hoy ihany i Tabera, kanefa rehefa tonga taty dia lainga no nafafiny. Milaza fa tsy hiverina izy ary dia tsy maninona na tsy hiverina any Pretoria tokoa aza Rajoelina, araka ny fanazavany ihany. Tsy fahombiazana ho an’i Frantsa sy Andry Rajoelina iny tany Pretoria iny, raha ny fanazavana ihany satria tsy nanaiky ny hampiharana karazam-panjanahantany vaovao ireo filoha telo mirahalahy. Ravan’izy telo ireo ny tetika frantsay, rovitra ilay sori-dalana, hoy ihany i Tabera Randriamanantsoa. Nisy koa ireo niahiahy fa hoe nifanaraka tamin-dRajoelina Ravalomanana na Ratsiraka. Voaporofo tany Pretoria anefa, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Zafy ity, fa tsy nitombina velively izany. Hafatry ny filoha Ravalomanana, hoy i Tabera Randriamanantsoa, ny amin’ny tokony hanatevenana ny tolona, ary tsy tokony ho kivy ny vahoaka. Hatramin’ny faha-15-n’ny volana mey dia hiparitaka any amin’ireo faritany 6 ny hetsiky ny ankolafy 3. Ny sabotsy ho avy izao àry dia i Toamasina no hisantarana ny fitetezam-paritra. Madagasikara iray manontolo no hihetsika hiady amin’ny fanjanahantany, izay no tanjona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.