Mampalahelo ny demokrasiantsika, hoy i Tabera Randriamanantsoa raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy halina.
Nahoana no misy fiangarana ka navela ny HVM nanao kongresy tany Toamasina sy Toliara.Tany amin’ity farany dia tamin’ny volana jona izay nambara fa tsy azo hanaovana fihetsiketsehana kanefa dia mbola nanao ihany ny HVM.Miantso ny fitondram-panjakana izahay ao amin’ny CRN, hoy i Tabera Randriamanantsoa mba hamela malalaka ny TIM hanao fety ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’ny sabotsy 8 jolay izao. Miantso ny TIM ihany koa ity mpanao politika ity mba tsy hihemotra fa hijoro hatrany ; momba ilay fanentanana isam-pokontany hoe ataon’ny mpitandro filaminana indray dia tsy tokony hiasa saina be na hivaky loha amin’izany ny vahoaka fa tongava maro eny Mahamasina hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa.Aoka ho tonga saina ihany koa ianareo miaramila fa tsy atao fitaovana politika hiarovana ny mpitondra sy ny antokon’ny fitondrana foana hoy izy, kanefa avy eo dia migadragadra foana tahaka ny efa nitranga tamin’ny 2002 sy 2009.Nahitsy ihany koa ity tanan-kavanan’ny PPr Zafy Albert ity raha nilaza fa tena misy olona mampijabaka ny filoha Hery Rajaonarimampianina ; olona efa teo nandritra ny fitondrana nifandimby izy ireo ka mila mitandrina tsara ianao Prezida, hoy i Tabera Randriamanantsoa.Farany moa dia niantso ny roa tonga, izany hoe ny fitondram-panjakana sy ny antoko Tiako i Madagasikara mba hifandinika ahitana ny vahaolana izy saingy nomarihany tsara fa avelao hiditra ao Mahamasina ny TIM izay efa nanome toky fa hilamina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.