Nanotrona ny fisokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika ara-toekarena, Voatra tetsy Analakely omaly, ny filohan’ny filankevi-pirenen’ny fampihavanam-pirenena, ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain.
Raha nanontanian’ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana mikasika ny antony tsy naha henoheno loatra ny resaka fampihavanam-pirenena ny tenany dia nambarany fa vao tamin’ny 26 aogositra teo no nivory farany izy ireo. Mikasika izay dia nolazainy fa araka ny andininy faha-68 ao amin’ny lalàmpanorenana dia ny FFM no tokony hanao ny asa fampihavanana ny Malagasy fa asa andavanandron’ny FFKM amin’ny maha fiangonana azy no tokony hitandrina ny ondriny.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.