Tsy mbola hita soritra ny lalan-kizoran’ny hetsika Mitsangana ry Malagasy, volana maro taorian’ny nitsanganany.
Tsy dia nazava ny tena zotra nofaritana tamin’ny famoronana ity hetsika ity satria niovaova ihany ny tanjona. Nilaza ny mpitarika fa hanongana an-dRajaonarimampianina ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo kanefa niova resaka taty aoriana fa tsy mahamaika ny fanonganana. Hita ho tsy nilamina ny fandrindrana ny hetsika sy ny zavatra tiana hatao ka zary lany andro teny fotsiny ireo mpitarika. Noho ny fahatsapana izany angamba no nahatonga azy ireo hanova rafitra ka nisafidy izay ho filohany ary lany tamin’izany Rabetsaroana Sylvain. Tsy mbola fantatra izay hatao taorian’ity fifidianana filoha ity fa iray amin’ireto lalana roa ireto no mety hizoran’ny hetsika. Voalohany dia hiroso amin’ny fanonganana an-dRajaonarimampianina, foto-kevitra nijoroana hatrany am-boalohany amin’izay ny hetsika ary efa mandeha ny resaka fa i Sylvain Rabetsaroana no ho filohan’ny tetezamita raha ho tanteraka tokoa izany ka hahazo ny fahefana izy ireo. Misy ihany koa ny resaka hafa mivoaka fa efa miketrika ny 2018 ny Mitsangana ry Malagasy ka i Sylvain Rabetsaroana no hatolotra ho kandida. Mety hampisara-bazana ny mpikambana anefa izany raha mitombina io resaka io. Misy amin’ireo mpikambana sasany mantsy no efa hita soritra ny haha kandida azy toa an’i Hajo Andrianainarivelo izay mihetsiketsika fatratra. Ao anatin’ny hetsika ihany koa ny olon’i Andry Rajoelina izay tombanana fa ho anisan’ny kandida. Any amin’ny fanonganana ny fitondrana ankehitriny ihany no hevitra tena iraisana. Efa miketrika mafy izay haha lohany azy eto amin’ny firenena Rabetsaroana Sylvain saingy mbola fanontaniana mipetraka ny hoe ho Filohan’ny tetezamita, raha tahiany ka ho tanterak’izy ireo ny fanoganana an-dRajaonarimampianina sa ho filoham-pirenena amin’ny alalan’ny firotsahana amin’ny 2018 ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.