Politique

Sori-dalana hosoniavina Mihetsiketsika ny «sous-officier» sasany


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Nanomboka tamin’ny faramparan’ny herinandro teo, mainka nihamafy izany ny alahady rehefa nivahiny tamin’ny fahitalavitra nasionaly ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny FAT ary nanambara fa hisy ny fanasoniavana sori-dalana ato ho ato, no nihetsiketsika ny «sous-officier» sasantsasany.

 Raha araka ny vaovao mandeha etsy sy eroa dia misy amin’izy ireo no mikasa ny hamoaka ireo namany, miaraka amin’ireo manamboninahitra izay migadra eny Tsiafahy noho ny resaka BANI sy FIGN. Saika ny alahady teo no nigadona teny ireo «sous-officier» izay miisa 150 ireo raha araka ny feo mandeha saingy ny Emmo-Reg no tonga aloha teny an-toerana rehefa nisy namoaka ny vaovao, raha araka ny heno hatrany. Mahakasika io resaka io dia nanambara ny lehiben’ny Emmo-Reg fa fandemen-tsaina fotsiny izany. Tsy vao izao akory no nisy ny feo aely mitovy amin’io. Toa tsinotsinoavin’ny fitondrana ihany ny zavatra mety hitranga. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia may volon-tratra ihany izy ireo matoa nanamafy ny fiambenana ny fonja avy amin’ny fandefasana olon’ny Emmo-Reg eny Tsiafahy. Sori-dalana inona ilay hosoniavina ary inona no mety ho vokatr’izany ? Samy miandry ny rehetra ary efa misy ny manomboka mihetsiketsika toa ireo manamboninahitra lefitra ireto.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT