Politique

Solika niaka-bidy Raisin’ny FAT ho fanozongozonana ny fitondrany


  • Zoma 09 Jolay 2010


Nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly hariva tao amin’ny Lapa maitson’Anosikely ireo mpikambana amin’ny FAT. Nisongadina nandritra ny resaka natao ny amin’ny tokony handraisana andraikitra manoloana ny mety ho vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Araka ny fanambarana nataon’ireto mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ireto, dia tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidin-tsolika raha jerena ny hetra alaina amin’ny vidin-tsolika hatokana amin’ny fanajariana ny lalana, ny sandan’ny vola dolara ary ny vidin’ny barila amin’ny solika. Raisin’ireto mpikambana amin’ny FAT ireto ho fanararaotana izao fampiakaram-bidy ny solika izao. Manainga ny governemanta ary izy ireo mba handray fepetra haingana hisorohana ny mety ho fiantraikan’izao fiakaram-bidy izao eo amin’ny fiainam-bahoaka, ka mety hiteraka korontana. Raisin’ny ao Anosikely ho fanozongozonana ny fitondram-panjakana izao fampakaram-bidy izao izay mifanohitra amin’ny foto-pisainana iorenan’ny fanalalahana sy ny fitsipika mifehy ny fifaninanana malalaka. 

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT