Serge Zafimahova, mpikambana CDE (Club Développement et Ethique) sady efa minisitra taloha no vahiny anio, maneho hevitra sy fomba fijery mikasika ny toekarena, indrindra ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ary koa ny fahitany toe-draharaha politika ankapobeny.
Tia Tanindrazana (TT) : Efa ela ny CDE no nandon-databatra fa kely dia kely ny tombontsoa azon’ny Malagasy amin’ireo fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Ireny nataon’ny filohan’ny FAT teny Iavoloha ireny ve ilay nandrasanareo ?
Serge Zafimahova (SZ) : Tsy mitovy ilay fomba fijerinay satria raha miresaka izy dia misy tombontsoa manokana ketrehiny fa tsy ho an’ny tanindrazana. Efa efa-taona anie izy no nitondra teto dia izao vao tonga saina ? Tsindry ahafahana mitady tombontsoa manokana ny an’ny FAT satria tapitra amin’ny martsa izao ilay fanomezan-dalana vonjimaika nomena ny orinasa Ambatovy tamin’ny fiandohan’ny volana septambra 2012 ahafahany manondrana ny vokany. Marihina fa ny 11%-n’ny vola miditra amin’Ambatovy no aloany amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny tamberimbidy sy hetra isan-karazany mandritra ny 5 taona voalohany itrandrahany raha 21% kosa izany manomboka amin’ny faha-6 taona.
Any Nouvelle Calédonie izay mamokatra kôbalta sy nikela dia 40% no anjaran’ny fanjakana frantsay fa ny 60% no an’ny orinasa mpitrandraka. Varoboba izany ny antsika. Araka ny salanisa navoakan’Ambatovy dia 4.500 tapitrisa dolara no fitambaran’ny vola ho azon’ny fanjakana avy aminy mandritra ny 29 taona saingy rehefa atao ny kajikajy dia mihoatra ny 49.000 tapitrisa dolara no azony eto mandritra io fotoana io. Zara raha misy 9% fotsiny anie izany no makany amin’ny fanjakana fa tsy mahatratra ilay 11% akory e ! Midika izany fa mahazo tombombarotra mihoapampana “super-profit” Ambatovy.
TT : Ny «Loi sur les grands investissements miniers» no mamaritra ny tamberimbidy ho an’Ambatovy manokana. Azo averina dinihana izany ity lalàna ity rehefa fanjakana ara-dalàna no eo ?
SZ : Ny governemanta Aostralianina sy Kanadianina izao dia mitaky ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany. Tokony hodinihana isaky ny sokajina harena ankibon’ny tany tsirairay avy mihitsy io ho antsika. I Indonezia izao dia vao nampakatra 25 ka hatramin’ny 50 % ny hetra alainy amin’ny harena ankibon’ny tany.
TT : Ahoana izany ny momba ireo fanomezan-dalana hitrandraka nomen’ny FAT ?
SZ : Tsy ara-dalàna avokoa ireny ka tsy manankery ary fantratr’ireo orinasa ireo izany. Ny EITI izao dia nampiantona antsika noho ny tsy fankatoavan’izao tontolo izao ny fitondrana misy. Ny “Chambre des mines” anefa mitaky ny hamoahana fanomezan-dalana. Na ny primatiora na ny prezidansa FAT ihany koa dia samy te hanome fanomezan-dalana. Amin’ny fitondrana lanim-bahoaka vao tokony hivoaka ny fanomezan-dalana. Noho ny tsy fisian’ny politika momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany dia tsy mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy mihitsy i Ilakaka nefa ny safira avy ao no lazaina fa tsara kalitao indrindra manerantany.
TT : Raha hanao ilay fandiovana ity sehatra ity ny fanjakana vaovao ka tsy manaiky ireo fepetra takiana ireo orinasa mpitrandraka, azon’ny fanjakana atao ve ny mandroaka azy ?
SZ : Tokony hisy “moratoire”. Raha hanitsy ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny solika isika dia asiana “période moratoire” mandritra ny roa na telo taona ahafahan’ireo orinasa efa manana fahazoan-dalana mitrandraka miditra amin’ilay lalàna vaovao. Mihatra avy hatrany kosa ilay lalàna vaovao ho an’ny orinasa vao hanao fangatahana. Izay indrindra no tsy tokony hanomezana fahazoan-dalana amin’izao mba tsy hananana olana amin’io. Ny tsy fantatry ny Malagasy anefa dia efa misy orinasa nomen’ny FAT fahazoan-dalana hitrandraka dia Ambatovy, ny PAM Sakoa ary ny Toliara Sands. Mody tsy mihetsika moa ireto farany satria fantany fa tsy ara-dalàna ilay izy.
TT : Hivadika resaka politika isika, tsy handimby ny krizy tany “Cote d’ivoire” ve isika raha izao zava-misy izao ?
SZ : Efa nilaza izahay ato amin’ny CDE fa tokony hiditra Tetezamita vaovao isika. Ny resaka tsimatimanota anie ka tsy resaka olana iray. Ny trosa ivelan’i Madagasikara dia nahatratra 180 tapitrisa dolara tamin’ny 1975, 3.900 tapitrisa tamin’ny 1989 ary 800 miliara Iraimbilanja ny trosa nampindramin’ny banky tsy tafaverina tamin’ny 1995. Araka ny tenin’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana koa dia mahatratra 384 miliara Ariary ny banga ao amin’ny kitapombolam-panjakana noho ny fampiasana ny volam-panjakana tsy ara-dalàna. Manginy fotsiny ny «bois de rose» 3.000 kaontenera naondrana antsokosoko sy ny volamena. Mila alamina ao anatin’ny fampihavanam-pirenena avokoa izany rehetra izany ; izany hoe mba tsy hisian’ny “vaky trano” ao amin’ny volam-panjakana intsony dia mila alamina aloha ireo zava-misy teo aloha.
TT : Alamina amin’ny resaka amnistia izany ilay izy dia samy vita ?
SZ : Tsy resaka amnistia fotsiny io fa manana fomba fandaminana olana isika Malagasy. Tahaka izao ny fampihavanana any ambanivohitra any : Miaiky ny helony ilay olona, avy eo ny Fokonolona mamela heloka ary farany dia manefa ny onitra amin’ny Fokonolona ilay meloka.
TT : Ahoana no fomba hahatongavana amin’izay satria ny mpomba an’i Andry Rajoelina milaza fa tsy olomeloka izy ka tsy mila amnistia, i Marc Ravalomanana izay manana dosie koa tsy mbola eto an-toerana ?
SZ : Raha milaza ny fanjakana amin’izao fa tsy nanao heloka dia asaivo manoratra any amin’ny SADC milaza fa tsy mila amnistia izy. Aza be resaka fotsiny eto fa fantatrao ny fifampiraharahana na“négociation” nataonao tany. Ataovy io taratasy io ary andefaso dika mitovy ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana. Ho hitako eo raha sahy hanao izay izy.
TT : Efa antomotra ny fifidianana fa tsy mbola mitsangana ny FFM. Inona ny zavatra mety hiseho ?
SZ : Amiko dia tsy mitombina ny FFM. Raha ny hevitro dia azo tazonina ny fifidianana depiote amin’ny 03 jolay ka izay vondrona parlemantera manana depiote be indrindra no manendry ny praiminisitra manana ny fahefana feno hitantana ny firenena. Izany hoe tsy misy ny filoha mandritra ny 3 na 4 taona. Ny andraikitry ny governemanta dia mamaritra ny politika ankapobeny hitantanana ny firenena, mametraka koa ny politika ara-toekarena sy sosialy ary manatanteraka koa ny andraikitra fototry ny fanjakana. Tanterahana miaraka amin’ny 23 oktobra koa ny fifidianana Ben’ny tanàna, lehiben’ny Faritra ary sefo Fokontany.
Azo atao amin’izay fotoana ifanarahana koa ny fifidianana Loholona. Misafidy izay hisolotena azy ny sefo Fokontany mandritra ny fivoriany eny anivon’ny Distrika ary izy ireny no atao mpikambana ao amin’ny komitin’ny Fampihavanam-pirenena. Ankoatra ilay fampihavanana dia andraikitra andrasana aminy koa ny fametrahana Repoblika vaovao “Réfondation de la République”.
Tsy ankinina amin’ny solombavambahoaka io asa goavana io satria efa nanao asa sarotra nandritra ny tetezamita ry zareo sady halain’izy ireo avokoa ihany koa ny fahefana rehetra ka tsy hisy fifandanjam-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna.Ny lalampanorenana hovolavolaina mandritra ilay Tetezamita vaovao ihany koa dia tokony hametraka amin’izay ny maha Malagasy antsika fa tsy adika fotsiny amin’ny an-dry zareo Frantsay dia mody asiana fanovana kely. Aleo amin’izay maka fotoana hanaovana lalàmpanorenana fa tsy atao tefy maika foana.
TT : Hanaiky izany soso-kevitrareo izany ve ny fianakaviambe iraisam-pirenena ?
SZ : Rehefa mifanaraka isika Malagasy dia manaiky ry zareo. Aza adinoina fa avy amin’ny Antenimiera nofidim-bahoaka no hananganana ny governemanta amin’izay fa tsy tendrena akory. Voafidim-bahoaka avokoa ireo mpitondra isan’ambaratongam-pahefana. Marihiko fa hitondra korontana eto ity “ni…ni” ity satria samy tsy afaka hisafidy ny olon-tiany ny 70%-n’ny mponin’Antananarivo izay hanohana an-dRavalomanana na Rajoelina. Ho “mal élu” izany izay filoha lany eo ary mety ho roa taona dia haongan’ny arabe indray. Tsy mahazaka vahoaka akory anie ireo manohana ny “ni…ni” e ! Ny tanjontsika anefa dia ny hisian’ny fanjakana marim-pototra ary ny rafi-panjakana no mandrindra ilay fifandimbiasam-pahefana. Aleo izany miditra amin’ilay Tetezamita vaovao aloha handaminana izany rehetra izany.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.