Rasolo André, mpampianatra «sociologie politique» sady mpikambana amin’ny fiarahamonim-pirenena no vahin’ny SOKELA anio, milaza ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Tia Tanindrazana (TT) : Tsy ho kandida i Andry Rajoelina. Nahim-pony sa noho ny tery avy any ivelany ireny satria vao tsy ela izy no nihantsy ny firaisambe iraisam-pirenena ?
Rasolo André (RA) : Sarotra ny hilaza hoe an-tery no nanaovany an’iny satria tsy niara-nidinika taminy ny tenako. Raha ny fandinihana azy dia mifanaraka amin’izay takian’ny firaisambe iraisam-pirenena indrindra ny SADC izay tompon’ny fanelanelanana ny fanambarany ary koa mifanipaka tanteraka amin’ny hevitry ny mpanohana azy. Isaorana azy iny fanapahan-keviny iny satria mahatonga an’i Madagasikara afaka miroso amin’ny fifidianana. Tsy handeha irery isika amin’izany fa hampian’ny firaisambe iraisam-pirenena.
TT : Tena “sincère” ve anefa izy raha ny hevitrao satria betsaka ny olona no tsy matoky ary manahy tetika politika ao ambadika ?
RA : Ny mpanao politika dia mpanao politika ihany ka rehefa miteny zavatra izy dia raisina iny teniny iny amin’ny maha zava-miseho azy nefa ao ambadika dia mety misy tetika hafa koa. Tsy ferana izany. Raha ny fahitako azy dia zava-dehibe amin’i Andry Rajoelina ny fifidianana ka hotanantsika amin’izay izy.
TT : Ny fifidianana solombavambahoaka no iriany halefa aloha nefa tsy izay no nofaritan’ny CENI-T sy ny firaisambe iraisam-pirenena. Azo atao ve ny manova fehin-kevitra notapahana niaraka tamin’ireo vahiny ?
RA : Hevitry ny filoha Rajoelina iny fa ny CENI-T sy ny firaisambe iraisam-pirenena dia efa nanasonia ny PACEM. Io no nifanarahana ary efa voafetra amin’ny 08 mey 2013 rahateo ny datim-pifidianana fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Raha misy fikasana hanova ny daty dia tsy maintsy miverina midinika ny CENI-T sy ny PNUD ary ny Vondrona Eoropeanina. Sarotra ihany anefa ny hiverenan’ny PNUD sy ny Vondrona -Eoropeanina amin’io satria tsy fomba fanao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny miverina amin’ny sonia efa vita.
TT : Mandroso soso-kevitra ny SADC fa tokony hitarina amin’izy mirahalahy mianaka ny famotsoran-keloka ? Misy ny raharaha anenjehana an-dRavalomanana, eo koa ny fahotana vitan’ny FAT toy ny “bois de rose”, dia ahoana ireny ?
RA : Araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: “izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy”. Iza no tsy nanota, iza no be fahotana ary iza no nanota ka nibebaka ? Zava-dehibe amiko ny famotsoran-keloka ahafahantsika miroso amin’ny fifidianana saingy ny olana dia ny rafitra manapaka azy no tsy tena hentitra sy mazava tsara amin’izao fotoana noho ny tsy fananantsika Parlemanta voafidim-bahoaka. Misy rafitra mipetraka ihany eo nefa eken’ny rehetra ve ny fanapahan-kevitr’izy ireny ? Ny filankevitra momba ny fampihavanam-pirenena moa hatramin’izao dia tsy mbola tafatsangana ary ho sarotra ny fananganana azy raha ny endrika hitondrana azy. Ilaina anefa ny famotsoran-keloka mba hampazava ny resaka mialoha ny hanomanana ny fifidianana satria mitondra fitoniana ihany koa izany.
TT : Momba izay fifidianana izay dia misy mihevitra fa tokony hitarina koa ny “ni…ni” mba ho tena vaovao tokoa ny mpitondra ?
RA : Misy ny Malagasy sy vahiny mivoy azy io fa raha ny hevitro dia efa zava-dehibe ny tsy firotsahan’izy mianaka. Raha misy olom-pirenena vonona hilatsaka dia aleo ny vahoaka no hitsara azy raha toa ka tsy miteraka olana loatra amin’ny fandaminana ny fifidianana sy famadihana ny pejin’ny tetezamita ny firotsahany.
TT : Samy tsy milatsaka izany izao izy mianaka, tsy efa tokony halalaka amin’izay ve ny fodian-dRavalomanana ?
RA : Raha ny voalazan’ny tondrozotra dia efa tokony hody izy. Izy koa efa nandefitra amin’ny alalan’ny tsy fandraisany anjara amin’ny fifidianana ka heveriko fa tsy misy sakana amin’ny fiverenany intsony. Miankina amin’ny filohan’ny FAT sy ny mpitandro ny filaminana io satria ry zareo ireo no nanakana hatrany izay fodian’ny filoha. Azo dinihana tsara hoe nahoana moa no heverina hisy ny korontana raha tonga eto izy. Heveriko fa zon’ny filoha Ravalomanana ny mody an-tanindrazana.
TT : Hamboarin-dRajoelina ny tohatohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina. Nilaza izy fa maimaimpoana ny hanaovan’ny Colas ny asa. Azo inoana ve izany orinasa manao asa maimaimpoana izany amin’izao krizy izao ?
RA : Angamba efa nahazo volabe tamin’ny tetezamita izy dia manao valim-babena an ! Ry zareo koa moa efa niorina ela teto amintsika. Mety tsy misy fandaniana be koa angamba ilay tetikasa. Asa tsy fantatro ! Mety misy koa “sponsoring” na “ financement indirect” avy amin’izay nahazo vola be tamin’ny Tetezamita dia manasoa vahoaka.
TT : Rehefa tsy filoha intsony Rajoelina dia atao ahoana ny fanampiana ny AV7 sy ny karaman’ny mpilalao Makis izay nanaovan’ny praiminisitra fanakianana ?
RA : Tokony hohazavaina tsara io resaka karaman’ny Makis io mba hisy ny fitohizan’ny asam-panjakana. Raha ny hevitro dia “prime” mavesabesatra no tokony ho nomena ireo mpilalao ireo dia vita. Raha ny fahalalako azy dia efa manana fomba fanomezana valisoa ireo atletantsika manao fifaninanana avo lenta ny federasiona sy ny komity Olympika.
TT : Niharan’ny hetraketraka indray ny filohan’ny FJKM, ora vitsy taorian’ny kabarin’i Andry Rajoelina. Inona no azo andikana ireny ?
RA : Mampalahelo ireny zava-nitranga ireny. Ny raiamandrenin’ny fiangonana dia tsy tokony hohetraketrahana tahaka ireny. Manakiana mafy ireny ny tenako sady miray fo amin’izy mivady ihany koa.
TT : Misy teny ve tianao hamaranana ity dinidinika ity ?
RA : Mankasitraka ny Gazety Tia Tanindrazana nanatona ahy naka ny hevitro manoloana ny raharaha sarotra diavin’ny firenena. Mankahery anareo mpanao gazety mba hahay handanjalanja ny teny izay havoaka mba tsy handratra nefa koa tsy handevina ny marina fa ny zava-misy no aseho hahalalan’ny Malagasy ny raharaham-pirenena. Dia mamerina ny fisaorana azy mirahalahy tamin’ny andraikitra noraisiny ka tsy hirotsahany ary miantso ny vahoaka Malagasy koa mba ho tony. Manantena koa fa hahatontosa ny adidiny ny CENI-T satria raha te hanatanteraka fifidianana mangaraharaha isika dia tsy maintsy manao fandaminana lavorary.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.