Ralaiseheno Guy Maxime, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sady filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanŕna manerana ny Nosy, no manakatona ny andiana Sokela eto amin’ny Tia Tanindrazana amin’ity 2012 ity. Toy izao ny resadresaka nifanaovana taminy.
Tia tanindrazana (TT) : Vaovao nisongadina amin’izao faramparan’ny taona izao ny fanondrotana grady jeneraly zandary sy miaramila miisa 31, ny fahitanao azy?
Ralaiseheno Guy Maxime (RGM) : Tena mampalahelo fa zarazaraina fotsiny ny grady jeneraly eto amintsika. Fa iza loatra i Richard Ravalomanana no mahazo ny grady “Général de division” sahady herintaona mahery monja taorian’ny nitondrany ny grady “Général de brigade”? Taorian’iny fanendrena farany iny dia mahatratra 210 izao ny jeneraly eto amintsika.
TT : Nanao bemidina teny Ankaraobato izay Kaominina nahavoafidy anao ho Ben’ny tanàna in-droa miantoana ny TGV. Inona ny fandraisanao ilay fihetsika ?
RGM : Raha ny fahenoako azy dia tatitra ataon’ny Parlemantera amin’ny Faritra nanendrena azy no anton’ilay fivoriana. Amin’ny maha filoha lefitry ny CST an-dRakotomavo Lanto dia zony tanteraka izany satria izay ilay fahalalana ara-politika. Ny fanontaniana apetrako kosa dia hoe ny vahoaka ve no tokony hanaovana tatitra sa ny mpanao politika sy mpitondra eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra ? Mino izahay parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa rehefa hanao tatitra amin’ny vahoaka dia homena fahalalahana hampiasa ny kianjan’Ambohijatovo.
TT : Efa misy angaha izay fandaharam-potoana izay ?
RGM : Efa manana fandaharam-potoana izahay ary eo am-pandinihana azy izao.
TT : Anaovan’ireo mpomba an-dRajoelina angaredona ny praiminisitra Beriziky. Misy fikasana hanaisotra azy tokoa ve any ambadika any ?
RGM : Tafintohina fatratra ny TGV noho ny hevitry ny praiminisitra izay mirona amin’ny “ni … ni” ka mahatonga azy ireo manenjika azy mafy. Raha mbola ny sori-dalana anefa no ekena ho lalàna velona eto amin’ny firenena dia tsy afa-manala azy i Andry Rajoelina raha tsy miresaka amin’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra sy ny SADC, mpanelanelana. Na hirotsaka hofidiana na tsia i Andry Rajoelina dia izy amiko no fototry ny olana sy mahatonga ny fahantran’ny Malagasy noho ny fanonganam-panjakana nataony. Misy mizana tsindrin’ila eto satria hatramin’izao dia misy gadra politika tazonina any am-ponja.
TT : Manara-maso ny asan’ny governemanta no asan’ny Parlemanta. Tsy nanao ny asanareo izany ianareo matoa efa aty amin’ny faran’ny taona 2012 vao fantatra fa tsy mazava ny loharanom-bola nananganan’ny FAT fotodrafitrasa maro, araka ireny natsikafon’ny praiminisitra ireny ?
RGM : Tsara tsiahivina fa tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana taona 2012 sy 2013 izahay vao nandray anjara fa ny FAT samirery no nanao ny 2011. Na izany aza dia ny tenako izao mihitsy no nametraka fanontaniana tamin’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany raha 100 tapitrisa dolara tokoa ny vola azo tamin’ny Wisco ahazoan’ity orinasa sinoa ity mitrandraka vy ao Soalala. Nohamafisiny io tarehim-bola io tamin’izay. Raha nanontaniana indray ny minisitry ny vola dia nilaza fa ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolampanjakana nahitsy tamin’ny 2010 no namaritra ny fanorenana ny hopitaly manara-penitra. Fa tiako homarihina manokana ny momba ny vidin’ilay fiaramanidina Air Force One 2. Nilaza mantsy ny minisitry ny vola tamin’ny fivoriana ara-potoan’ny Parlemanta farany teo fa voalaza tao anatin’ny sorabola taona 2011 ny momba an’io nefa rehefa nojerenay ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolampanjakana taona 2011, 2012 ary 2013 dia tsy misy izany. Izay no nahatonga anay nilaza fa ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolampanjakana 2013 dia tsy manara-dalàna satria ny fandaharanasa no mibaiko ny famaritana azy fa tsy filàna akory. Tsy izay anefa no ataon’ny FAT. Noho ny maha vitsy an’isa anay eo anivon’ny Parlemanta anefa dia resy ny hevitray na dia nanohitra izany aza. Ny tena zava-dehibe dia ny fahafahana manadihady ireny raharaha tsy mazava rehetra mandritra ny 10 taona izany hoe hatramin’ny 2022.
TT : Tsy re intsony ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna tarihinao. Efa rava angaha ?
RGM : Fampiharana ny fitsinjaram-pahefana eny ifotony no antom-pijoroan’ny fikambanana izay nanana ny tetikasa fampiofanana ny Ben’ny tanàna sy fananganana sekoly manofana momba ny fitsinjaram-pahefana. Noho ny krizy anefa dia tsy tanteraka izay vina izay. Tsara sarahana koa ny maha mpanao politika ahy sy maha filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ahy. Ny fikasana hanao fifidianana Ben’ny tanàna an-tery no nahatonga anay nihetsika tamin’ny 2010. Tsy niditra ho mpomba an’i Andry Rajoelina na Marc Ravalomanana mihitsy izahay fa rehefa nivoaka ny fonja aho vao niditra tao amin’ny ankolafy Ravalomanana rehefa nifandresy lahatra tamin’ny mpitarika. Ambarako fa misy ny fikambanana fa noho ny tahotry fanelingelinana ny asa sy fanaovana fanaraha-maso tsy ara-drariny any anivon’ny Kaominina any no nahatonga anay nisintona kely.
TT : Tsy hirotsaka hofidiana indray Atoa Marc Ravalomanana. Tsy nilaza mivantana izay tao amin’ny Magro izy hatramin’izao fa ianareo mpitarika no toa misolo vaika ny ankalana ?
RGM : Telo mirahalahy no mpiara-mitantana ny anlokafy Ravalomanana ka tsy manana fahefana hamaly izay fanontaniana izay aho. Miandry fivoriambe hamantarana ny anton’ny fanapahan-kevitra izahay izao sy hijerena koa ny dingana manaraka momba ny tolona.
TT : Mety ho raikitra ve io fifidianana amin’ny 8 may 2013 io fa maro no manahy?
RGM: Manalasala. Raha mirotsaka i Andry Rajoelina dia mamboly krizy vaovao. Fe-potoam-piasana iray latsaka kely no efa nitondrany ary iaraha-mahita ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ny FAT. Ho aiza ity firenena ity?
TT: Fifidianana inona indray no handraisanao anjara amin’ity satria efa Ben’ny tanàna in-droa nisesy ianao ?
RGM : Ny vahoakan’Ankaraobato no andrasako haneho ny heviny. Tsy afaka miala amin’ny vahoaka aho. Efa ombieny ombieny no nisy nangataka tamiko hirotsaka depiote fa naleoko nampandroso ny tananako. Nisy fotoana aho nifandona mafy tamin’ny Tiako I Madagasikara nefa miaraka izao rehefa nihavana. Miandry fotoana mihitsy aho hifaninana amin’ny TGV amin’ny manaraka. Mba azo tsapain-tanana tao anatin’ny efa-taona nahateo amin’ny fitondrana ny TGV ve ny fampandrosoana ? Afaka mireharaha aho fa nahavita ho an’ny vahoakan’Ankaraobato nanomboka tamin’ny 2003.
TT : Inona no azonao ambara raha manao jery todiky ny taona 2012 ?
RGM : Miiba satria raha noheverina fa hivoaka ny krizy isika tamin’ity 2012 ity dia ny 25%-n’izay voalazan’ny tondrozotra angamba no tanteraka. Tsy ny fametrahana andrim-panjakana akory no ilazana fa tanteraka ny tondrozotra fa ny fanatrarana ny tanjona dia ny fitoniana sy fahafahana manatontosa fifidianana andraisana anjara sady eken’ny rehetra ary koa ny fanomezana hasina ny vahoaka afaka hifidy.
TT:Teninao farany ?
RGM : Marary ny firenena ka manao antso avo amin’ny vahoaka aho hoe : entintsika aiza ity firenana ity ? Mirary filaminana sy Madagasikara manana ny maha izy eo amin’ny vahoaka sy eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena aho. Ny fitantanana ara-politika no mamaha ny fampandrosoana ara-ekonomika sy sosialy raha tsy izany dia fahantrana no iainana. Nolazaina fa antsojay no nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nefa didy jadona no ataon’i Andry Rajoelina amin’izao. Farany dia mirary taom-bavaovao sambatra ho an’ny rehetra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.