Mpikarakara ny fihaonambem-paritra, mpikambana ankolafy Zafy sady filoha mpiara-mitantana ny «Rodobe» Toamasina. Kotomanantsoa Rémi, izy no vahinin’ny SOKELA anio.
Tia Tanindrazana (TT) : Nanao ireny fihaonamben’ny faritra 22 ireny ianareo. Inona ny tohiny fa toa tsy misy resaka intsony sa efa nivalona ?
Kotomanantsoa Rémi (KR) : Rehefa vita iny fihaonamben’ny faritra 22 iny dia naterinay tamin’ireo masoivoho vahiny eto amintsika sy ny FFKM ny fehin-kevitra tapaka. Atsy ho atsy angamba dia handray andraikitra ireo raiamandreny ara-panahy ireo ary izahay dia anisan’ny handray anjara amin’izay antso hataon’izy ireo. Afa-po izahay satria handray andraikitra ry zareo na dia mitarazoka ihany aza. Tokony ho faingana mihitsy ry zareo fa efa tena mijaly ny vahoaka Malagasy.
TT : Taorian’ny fihaonambem-paritra dia efa nanambara ianareo fa handray andraikitra amin’izay. Izahay anefa tsy mbola naheno hetsika nataonareo mihitsy ?
KR : Iaraha-mahalala fa sahirana dia sahirana ny vahoaka Malagasy izao. Aleo aloha hiaina kely ny vahoaka mba hanao ny asa fitadiavany satria iaraha-mahalala fa vokatra izao ny lavanila any avaratra sy ny lodsia any atsinanana. Efa maro kosa anefa ny komity mpanaramaso ny fampiharana ny fehin-kevitry ny fihaonambem-paritra mijoro isaky ny Distrika. Matokisa ianareo fa raha toa ka tsy hahita vahaolana ny FFKM dia mino aho fa tsy misy zavatra handeha amin’ny laoniny eto ary na ny fifidianana amin’ny 08 mey 2013 omanin-dry zareo io aza tsy ho tanteraka raha ny zava-misy hitako any amin’ny faritra any.
TT : Nahoana no avelanareo ankolafy Zafy hisavoritaka ny sehatry ny tontolo iainana indrindra amin’ity resaka “bois de rose”ity. Efa 7 volana izao no banga ny toeran’ny minisitra fa tsy manendry mpisolo ianareo ?
KR : Ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra no mampahory ny vahoaka. Tsaroantsika fa tsy nankasitraka ny fomba nanendren-dry zareo ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta izahay ankolafy Zafy. Raha misy fanomezan-tsiny anay hoe tsy mandray andraikitra dia izao no avaliko azy hoe nahoana moa no izahay no handeha hanendry olona hasolo olona izay tsy nankatoavinay ny nidirany tao amin’io governemanta io ? Tokony ho raisin’izy mirahalahy ny andraikitra amin’ny fandravana ny governemanta izay efa hitan’ny rehetra fa tsy mety. Na ny ankolafy Ravalomanana aza mba mimenomenona koa amin’ny raharaha Ruffine Tsiranana. Torak’izany koa ny TGV momba ny minisitry ny harena ankibon’ny tany na dia nezahan’ny praiminisitra nosarontsaronana aza ny tsy fifankahazoan-dry zareo.
TT : Azo kilasiana iray ny fanehoan-kevitry ny profesora Zafy, Victor Hong ary Zakariasy Patrick nefa any am-ponja ity farany izao. Inona no andraikitra efa mba noraisinareo hanampiana azy ?
KR : Mbola manamafy ny tenako eto fa miaina anaty “fitondrana Mafia” isika amin’izao. Fitoriana napetraky ny mpandraharaha iray izay mahatsiaro tena ho afa-baraka tamin’ny fanambarana nataon’i Zakariasy Patrick no mahatonga azy any am-ponja. Iza anefa moa no tsy mahalala fa efa voatonontonana foana ity mpandraharaha ity ary efa nitory azy mihitsy aza ny profesora Zafy. Tena sahy manao zavatra mamoafady mihitsy koa ny mpitsara eto amintsika ka tena mampalahelo. Manamafy izahay fa misy mpitondra koa manao io resaka io. Vao roa herinandro izay dia nisy boaderôzy 1500 T indray nivoaka tao Mananara Avaratra fa tsy misy olona enjehana mihitsy na iray aza. Nahoana no tsy ahetsika ny “vedette rapide” ananantsika fa laniana amin’ny fitetezam-paritra ny vola ? Tsy maintsy mbola ho hita ny marina e.
TT : Milaza foana ianareo fa ny profesora Zafy no tokony hitantana ny fampihavanam-pirenena. Tsy tsapa loatra anefa ny ezaka ataonareo ankolafiny amin’izany ?
KR : Efa maro ny taratasy nalefanay any amin’ny SADC momba ny fanitsakitsahana ny tondrozotra. Isaorana ny profesora Zafy Albert mbola mitazona io foto-kevitra ijoroany io fa sarotra anefa ilay asa. Iaraha-mahita fa tsy manana io foto-kevitra io koa ny praiminisitra izay ny ankolafy Zafy no nanolotra azy. Mahamenatra mihitsy ilay izy indrindra koa momba ity resaka “bois de rose” ity. Miady irery ny filoha Zafy Albert amin’ny fitakiana ny fametrahana ilay fampihavam-pirenena. Entin-dry zalahy miady toerana fotsiny ny fananganana ny FFM.
TT : Hihaona indray Ravalomanana sy Rajoelina. Fa tsy afaka mahita vahaolana ve isika raha tsy amin’ny alalan’ny SADC ?
KR : Tena mahagaga ahy mihitsy io. Fantatra anie ny antony tsy haneken-dRajoelina ny fiverenan-dRavalomanana eto dia ny fahatahorany azy noho ny fakana sy fanimbana ny fananany ataon’ny FAT. Matahotra koa izy satria mitombo indray ny mpifanandrina politika. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena nefa manara-drenirano fotsiny. Malagasy ka mahazo mody malalaka izy ary efa manaiky ho tsaraina amin’ny fitsarana manana fahefana amin’izany koa izy raha nisy tsy mety nataony teto amin’ny firenena. Tsy fitadiavam-bahaolana mihitsy io fihaonana io amiko.
TT : Mbola misy tokoa ve ny “Rodobe” satria anisan’ny mpitarika ao Toamasina ianao ?
KR : Rehefa nitsena makotrokoroka an-dRavalomanana isika rehetra dia nisy sahady mpanao politika indrindra ny teo anivon’ny ankolafy Ravalomanana nihevitra fa mahavita tena sahady ry zareo. Teo dia efa nisy ny fanilikilihana anay. Mampalaelo ilay izy satria tsy nahavita na inona na inona anie ry zareo rehefa niditra tao anaty fanjakana e. Raha tonga tany Toamasina koa ny profesora Zafy Albert dia vitan’ny mpitarika sasany no nanao fihetsiketsehana hafa. Ekipa vitsivitsy no mba nanotrona ity filoha teo aloha ity tany. Marihina anefa fa ny Pr Zafy Albert anie no nanankinan’i Marc Ravalomanana ny fitantanana ny mpanohitra eto an-toerana e. Mbola misy foana ny Rodobe amin’izao fa ry zareo kosa efa nisintaka.
TT : Iverenana ny fifidianana izay efa natsidikao teo. Ahoana ny fahitanareo ity fihetsiketsehana be ataon’i Andry Rajoelina ity?
KR : Aiza no ahitantsika ny mangarahara raha izy izay tokony hatao filamatra amin’ity resa-pifidianana indray no mahavita zavatra mamoafady sahala amin’ireny. Efa propagandy anie ireny nataony tany Antsiranana ireny. Raha fitokonana tsotra no natao dia tapahana ny “ruban” amin’ny anaran’ny FAT dia vita .Ny CENIT anefa dia tsy miteny mihitsy anoloan’ireny fampielezan-kevitra hitam-poko hitam-pirenena ireny. Rehefa tsy voafehiny ny fanomanana ny fifidianana dia tokony mijanona dieny izao izy.
TT : Teny fohy amaranana ity resadresaka ity ary
KR : Mbola miantso ny FFKM aho handray andraikitra. Matoa ry zareo nanao ireny fanambarana farany ireny dia vonona hanao zavatra. Diniky ny samy Malagasy no atao eto fa mijaly ny vahoaka.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.