Politique

SMM Toamasina “Tsy ny ministry ny varotra no mibaiko ny asanay”


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Tsy nahafaly ireo mpitsara SMM tao Toamasina ny filazan’ny ministry varotra, Mahazoasy Freddie, nandaminana ny fitokonan’ny mpiasa ao amin’ny port vokatry ny nitazonana am-ponja ny mpiasan’ny MICTSL miisa 05 sy mpiasan’ny Maersk miisa 02 voarohirohy noho raharaha “bois de rose”.

Nambaran’ny ministry ny varotra nandritra ny fivoriana famahana olana tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana mantsy fa “araka ny vaovao farany azoko, dia hivoaka hahazo fahafahana vonjimaika afaka telopolo minitra na adiny iray eo ireo mpiasa voarohirohy tamin’ilay bolabola. Efa mandinika sy mivory momba izany ny ‘chambre de détention’ amin’izao fotoana izao (mantsy ny omaly tokony tamin’ny 05ora hariva)”. Tezitra tamin’izany fanambarany izany ireo mpitsara SMM ao Toamasina ka nilaza tampahan-tezerana fa “tsy ny ministry ny varotra mihitsy no mibaiko ny asanay mpitsara. Hainay ny asanay ary tsy izahay no te hampigadra ireo olona voarohirohy noho ny raharaha bolabola ireo fa baiko midina”. Hentitra ireo mpitsara nanambara koa fa “ataon’ny fanjakana ankehitriny saribakoly ny mpitsara sy ny fitsarana, ka izay no mahatonga anay hangataka fahalalahana bebe kokoa”.

Hatramin’ny nanoratana ny vaovao aloha, tsy mbola nisy fivoriana nataon’ny “chambre de détention” izany amin’ny fandinihana ny fanomezana fahafahana vonjimaika ireo olona voarohirohy noho ny raharaha bolabola iny. Ny fivorian’ny “Chambre de détention” koa amin’ny maha fitsarana arahana fanadihadiana azy, dia tsiambaratelo.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT